airtel

Fifamoivoizana

23-mars-2023

Fifamoivoizana

Lalana Ankadimbahoaka sy By Pass Nanomboka ny famendrahana tara

Sample post image

Efa nanomboka ny famendrahana ny tara na “goudron” ny lalana mampitohy an'Ankadimbahoaka sy By Pass ny orinasa manamboatra iny lalana iny omaly,

23-mars-2023

hoy ny fampitam-baovao voaray. Ho vitaina amin'ny faran'ity herinandro ity ny fanamboarana io ampahan-dalana io. Ny lalana mampitohy an'Ambodin'Isotry sy "Aigle noir" kosa dia efa vita ny "scarification" na fanetsemana ireo kilavadavaka amin’ny lalana ary efa manomboka ny "travaux de compactage" na fanamafisana ny orinasa. Ny asa rehetra izay tanterahin'ny orinasa Magic amin'ireo ampahan-dalana miisa 2 ireo dia eo ambanin’ny fanaraha-mason'ny LNTPB sy ireo teknisianin’ny minisitera. Manentana sahady antsika mpampiasa lalana sy isika rehetra mipetraka manamorona ireo lalana hikajy sy hanaja hatrany ireo fotodrafitrasa hiarovana azy ireny tsy ho simba, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Saika miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra avokoa amin’izao ireo mpamily

Card image cap
13-mars-2025

Filaharana lava be, ankisisika, fifanosehana. Izay foana isan’andro no iainan’iroe olona

Card image cap