airtel

Fifamoivoizana

17-févr-2026

Lalana etsy Ambohimiandra

Manalabaraka ny teknisianina malagasy

Sample post image

Lalana isany ahitana tohamboivoy

17-févr-2026

amina kilaometatra isan'andro iny lalana mampifandray an'Ambatoroka sy Mandroseza Boriborintany faharoa Antananarivo Renivohitra iny indrindra ny maraina fidiran'ny mpianatra sy mpiasa sy ny hariva fodiana. Manampy trotraka izany ny fisian'ny lalan-dratsy eo amin'ny manodidina ny CEG Ambohimiandra. Simba matetika ilay lalana ary andaniana vola be ny manamboatra azy. Izay hatrany no tranga miverimberina eny. Dia tsy mba misy vahaolana maharitra mihitsy ve ho an'io ampahan-dalana io avy amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, na ny Faritra Analamanga na koa ny minisiteran'ny Asa vaventy ? Tsorina fa dia manalabaraka ny teknisianina malagasy io lalana mahagaga io. Mba mandry ve ny sain'ny mpitondra ny Kaominina sy ireo tomponandraiki-panjakana mampiasa isan'andro iny lalana iny, manoloana ny fatiantoka ateraky ny fahaverezam-potoana, ny fahasimban'ny fitaovam-pitaterana sy ny loza mety haterany. Fotoan'ny fanavaozana izao, tokony hanaporofo ny teknisianina Malagasy fa vitatsika io fa tsy hiandrasana mpamatsy vola !
Jean D.
Ilay lalana mahagaga miteraka tohamboivoy eo Ambohimiandra
 

Dans la même rubrique