airtel

Fifamoivoizana

08-déc-2022

Fifamoivoizana

Lalana Toamasina - Foulpointe Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fanamboarana

Sample post image

Tonga nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-5 mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe ny Minisitry ny Asa Vaventy Jerry Hatrefindrazana sy ny Tale Jeneraly Randrianandrasana omaly.

08-déc-2022

Ny tetikasa PDDR "Projet de Développement Durable des Routes" sy ny CERC "Composante d'intervention d'urgence et de contingence" izay vatsian'ny banky iraisam-pirenena vola raha tsiahivina no tompon'antoka amin'ny asa fanarenana. Mandroso ny asa, ary am-perin’asa tanteraka ny orisana WIETC ankehitriny. Efa nankatoavin’ireo tompon’andraikitra ny anton-taratasy entina hanatanterahana ny asa fanamboarana izay haharitra 12 volana.Nanararaotra nijery ireo asa vonjimaika (izay notanterahina teo amin’ny PK 5+500 sy PK31+650 ireo delegasionina nandritra izany. Nisy hatrany ireo toromarika nomena ny orinasa amin’ny fanatanterahana ny asa, ny fanajana ny kalitao sy ny fenitra nifanarahana. Lalana anisan'ny manana ny lanjany ny lalam-pirenena RNS 5, raha tsiahivina. Porofon’izany ny fivezivezin’ireo fiara nitatitra ny lodisia izay haondrana nandritra ny campagne 2022.
Pati
Legende : Nandritra ny asa fitsidihina notanterahin’ny Ministra omaly
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»

Card image cap