airtel

Fifamoivoizana

06-mai-2026

LALANA VATOBE COCO

PLASTIKA 67 HA Efa misokatra ny fifamoivoizana

Sample post image

Efa nisokatra ny lalana mampitohy

06-mai-2026

an’i Vatobe sy coco plastique etsy amin'ny 67ha, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy omaly. Afak'omaly Alatsinainy 04 May hariva izany no nisokatra. Vita béton tsara ny làlana ary efa azo hivezivezena tsara hatramin'ny omaly. Mbola mitohy kosa anefa ny asa fanamboarana ireo ampahan-dalana etsy amin'ny 67 ha toy ny lalana Vatobe mankany amin'ny Toby fiantsonan'ny taxibe 133. Toraka izany koa ny eo amin'ny Jovena miazo ny paositra 67 ha. Hisy fanelingelenana hihatra amin'ny fifamoivoizana noho izany amin'ny fanatanterahana ireo asa ireo. Arahin'ny fandaminana miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana izany. Tsiahivina moa fa ny « Fonds Routier » no mamatsy vola ny asa fanamboaran-dalana ary ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy DRTP Analamanga no manara-maso izany. Manantena ny fahavitan'ny asa haingana ireo mpampiasa lalana hisorohana ny fitohanana lavareny mitranga eny an-toerana isan'andro.
Nangonin'i Pati
Légende : Efa misosa sy mikodana tahaka izao Ilay lalana !
 

Dans la même rubrique

06-mai-2026

nampidirina ambalam-pamonjana ilay fiara

Card image cap