airtel

Fifamoivoizana

21-août-2026

ANTANANARIVO - TOAMASINA

Mizotra tsara ny fanarenana ny zotran-dalamby

Sample post image

Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny

21-août-2026

minisiteran’ny fitaterana tarihan’ny minisitra Andrianavalona Ramanambola Herizo ny fanarenana ny zotran-dalamby mampitohy an’Antananarivo amin’i Toamasina.Efa vita amin’ny ampahanybetsaka ny fanamboarana sy fanarenana eo anelane-lan’Antananarivo sy Moramanga. Ny antony dia ny mba tsy hahasempotra be ny lalam-pirenena faha 2 (RN2) iza ifamezivezen’ireo fiara be mpitatitra entana sy solika an-jatony isan’andro.Io ilay miteraka faha-simbana. Raha toa ka miverina amin’ny laonina aorian’ny asa fanarenana atao amin’izao fotoana ny lalamby zotra TCE io dia lamasinina indray mandeha mahazaka enana 500 taonina fara fahakeliny, mitovy amin’ny entana taterina kamiao be miisa 25 izany.

AVERINA AMIN’NY MADARAIL IREO FANANANY
Tsy izay ihany fa ho jerena avokoa ireo fifanarahana na fomba natao nahatonga ny Garan-damasinina ho lasa trano fonenana, trano fitehirizan'entana ;ny amin’ireo tany, lalamby izay ampiasain'olona, na orinasa samihafa. Miverina amin'ny Malagasy ny fitantanana ny Orinasa, sy ireo fananany rehetra, mitentina 400 miliara ariary eo aminy, miaraka amin'ny tany, trano, fitaovana, sy ny tany izay mirefy 5m ny emprise, manamorina ny lalamby rehetra, mirefy 700km eo ny halavany, izay no toromarika voarain’ny minisitry ny fitaterana sy ireo mpiara-miasa aminy avy amin’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblika. Miroso ny fitadiavam-bahaolana amin’izao fotoana no sady mandeha ihany koa ny asa fanarenana miaraka amin’ny Madarail sy ireo manampahaizana Sinoa avy amin’ny CRBC.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique