airtel

Fifamoivoizana

23-nov-2026

Loza mahatsiravina

sesilany

Sample post image

Naato ilay fandrarana ny

23-nov-2026

mpamily +53 taona nampiady hevitra
Nambaran’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro tarihin'ny Minisitra Herizo Ramanzmbola fa haato aloha ny fampiharana ilay naoty manakana ireo mpamily mihoatra ny 53 taona tsy hanao asa fitateram-bahoaka sy fitaterana entana. Taorian’ny adihevitra sy ny fanehoan-kevitra maro avy amin’ireo matihanina amin’ny sehatry ny fitaterana no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Notapahana ny fampiharana ny naoty Nandritra ny fihaonana natao teny Anosy. Nilaza ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Herizo Ramanambola Andrianavalona, fa hatsahatra vetivety ny fampiharana ilay naoty mba tsy hahatonga ahiahy sy savorovoro eo amin’ny sehatry ny fitaterana, hoy ny tatitra hita tamin'ny fampahalalam-baovao. Niteraka adihevitra be mantsy ilay fanapahan-kevitra nivoaka ny 18 Novambra, satria maro ny mpamily, tompon’ny fiara fitateram-bahoaka ary ireo tompon’andraikitry ny kaoperativa no nilaza fa mety hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiveloman’izy ireo sy ny fianakaviany izany. Naneho ny ahiahiny ny mpisehatra, nambaran’ireo matihanina fa misy fanontaniana mipetraka momba ny maha ara-dalàna ilay naoty, ny antony namoahana azy ary indrindra ny vokany ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nohamafisin’ny minisitra fa voarakitra avokoa ny hevitra sy ny fitarainan’ireo mpandray anjara rehetra. Taorian’ireo lozam-pifamoivoizana nahafaty olona maro tany Antsohihy sy Betroka no nivoahan’ilay naoty. Nomarihin’ny manampahefana tamin’izany fa efa 69 taona ilay mpamily voarohirohy tamin’ilay loza nahatsiravina tany Betroka, ka isan’ny antony nanosika ny famoahana ny fepetra izany. Na izany aza anefa, maro amin’ireo mpamily sy tompon’andraikitra amin’ny sehatry ny fitaterana no mihevitra fa tsy ny taona ihany no mamaritra ny fahafahan’ny olona mitondra fiara. Nambaran’izy ireo fa ilaina kokoa ny fanaraha-maso ara-pahasalamana sy ara-teknika tsy tapaka ho an’ireo mpamily. Mampiseho ity raharaha ity fa mbola sarotra ny mampifandanja ny fitandroana ny fiarovana eny an-dalana sy ny fiarovana ny asa fiveloman’ny olona. Sanatria manamaivana fa tranga iray tany Betroka ve no nandraisana naoty mety handrara olona an'anarivony tsy hiasa amin'ny fitateram-bahoaka? Somary hafahafa ihany ! Raha misafidy ve ny mpandeha tsy aleony misafidy olona matotra kokoa manoloana ny tanora izay matetika mbola tia mitsapa ny tanjaky ny maotera sy manapatra ny tanjaky ny fiara ? Mety manana ny fahitany sy ny fandinihany ihany koa anefa ny Minisietra saingy fanontaniana azo apetraka ny hoe : Efa nisy fanadihadiana ara-tsiantifika mazava ve fa ny mpamily mihoatra ny 53 taona no miteraka lozam-pifamoivoizana betsaka eto amintsika ?
TRANGA 681 TAO ANATIN’NY 11 volana, 300 MAHERY NY MATY
Tsiahivina hatrany, fa nahatratra 681 ny lozam-pifamoivoizana voarakitra nanomboka ny volana Janoary ka hatramin'ny volana Oktobra 2026 teto Madagasikara, raha ny antontan’isa ofisialy. Nahafaty olona 265 ary naharatrana olona 1.562. Tao anatin’ny 10 volana latsaka no nahatratra an’izany, izay tena mampivarahontana. Miampy ireo tranga tany Betroka izay tafakatra 31 sy ny tany Antsoihihy miisa 11 ny herinandro lasa teo, maherin’ny 300 tao anatin’ny 11 volana latsaka ankoatra ireo mety tsy voaisa, manome antontan’isa eo amin’ny 31 isam-bolana. Vao omaly izao no nisy mpandeha moto maty tsy tra-dano teny Tsarasaotra. Tombanana ho ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fihetsika tsy tompon'andraikitra ataon'ny mpampiasa lalana no antony nahatonga ny 80,76%-n'ireo loza ireo, raha ny tatitry ny manam-pahefana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-nov-2026

Tafakatra 31 ireo namoy

Card image cap