ny ainy, mbola misy 2 karohina
Tafakatra 31 ireo namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivozana nitranga teo amin'ny tetezana hiditra ny tanànan'i Ianabinda - Betroka, ny Talata 17 novambra 2026 vao mangirandratsy. Efa samy tonga tao an-toerana avokoa ny fianakavian'ny maty naka ny nofomangatsiakan'ny havan'izy ireo. Tontosa ny tolakandron'ny omaly Alakamisy 19 novambra 2026 ny fampodiana an-tanindrazana ny nofomangatsiakan'ireo namoy ny ainy tamin'iny loza iny. Raha ny loharanom-baovao dia misy olona roa tamin'ireo mpandeha tao amin'ilay fiara Sprinter nofaohin'ny ranotrambo ka nahatonga io loza be io no mbola karohina any anaty rano hatramin'izao. Nanome fanampiana ara-bola ho an'ireo namoy ny havany ny fitondrana Fanavaozana izay nandefa solontena nampahery ny fianakaviana manaman-jo, nisy koa ny nomen'ny depiote voafidy tao Betroka Jean Nicolas. Nisitraka izany fanampiana izany koa ireo nieren-doza ka avotra tamin'io lozam-pifamoivoizana io.
Nangonin'i Jean D.