tafakatra 29 ireo olona namoy ny ainy tamin’ilay loza mahatsiravina tany amin’ny Ianabinda Betroka, raha mbola misy ihany koa ireo olona tsy hita popoka hatramin’ny omaly, ka nitohy ny fikarohana azy ireo eny an-toerana. Raha hiverenena dia fiara iray no tojo ranotrambo, ka lasa tany anaty rano. Nifamahofaho ny isa satria 27no nambaran’ny mpamily, saingy nihoatra lavitra. Manoloana ny haben’ny fahoriana sy ny fahavoazana naterak’ity loza ity, dia tonga tao Betroka ny iraka manokan’ny Fitondram-panjakana ahitana tompon’andraikitra maromaro avy amin’ny governemanta nahitana ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany, Minisitry ny mponina,… izay nitondra teny fampiononana sy fanohanana ho an’ireo fianakaviana tra-boina. Nitsidika sy nijery akaiky ihany koa ny fandaminana ny fampodiana ireo razana any amin’ny toerana niaviany izy, mba hahafahan’ireo havana sy fianakaviana manatanteraka amim-pilaminana ny fombafomba farany. Nomarihina fa tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fiatrehana izao voina izao ity fidinana ifotony ity, izay fanatanterahana ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, sy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana. Tanjona amin’izany ny hanehoana fa mijoro manoloana ny fahasahiranan’ny vahoaka ny Fitondram-panjakana, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra tahaka izao. Eo anatrehan’ny fahorian’ny fianakaviana sy ny alahelo lalina nateraky ny voina, dia naverin’ireo tompon’andraikitra ny hafatra firaisankina sy fifanohanana, sady nanamafy fa tsy havela hiatrika irery izao fahoriana izao ireo tra-boina sy ny havany.
Toky R