300 tao anatin’ny 11 volana…
Nitrangana loza mahatsiravina tao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Ianabinda Distrikan’i Betroka, ny marainan’ny omaly talata 17 Novambra 2026. Olona 20 mahery no voalaza fa namoy ny ainy, taorian’ny fiara Sprinter iray nivarina tao anaty rano teo amin’ny tetezana iray, tsy lavitra ny fidirana ao an-tanànan’i Ianabinda. Marihina fa eo amin’ny 35 km atsimon’i Betroka no misy ny Kaominina ambanivohitr’i Ianabinda. Fiara Sprinter miloko mena, niainga avy ao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Bekitro, Distrikan’i Bekily, Faritra Androy ity tra-doza ity tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Voalaza fa saika hiampita tetezana ilay fiara no tototry ny rano ary niafara tamin’ny fianjerana tao anaty renirano. Olona 35 teo no voalaza fa tao anatin’ilay fiara, araka ny fanazavan’ny Ben’ny Tanànan’i Ianabinda. Anisan’ireo mpandeha namoy ny ainy ny vehivavy maro sy ny ankizy. Hatramin’ny omaly tolakandro. Tsara ny manamarika, fa tsy vao tranga tokana ny fisian’ny fiara lasan’ny rano trambo tahaka izao tany amin’iny tapany Atsimonin’ny Nosy iny. Anisan’ny efa nahitana tranga ny any Fotadrevo, Ikongo,… Tena tsy ampoizina, ary mety mandeha amin’ny segaondra ny fisehony. Fanaon’ny mpamily sasantsany ny midina ny fiara sy manatohoka ny sofina amin’ny tany mihaino ny firaondraonan’ny tany sao mety misy ranotrambo manodidina.
TSY NITOMBINA NY ISA NOMEN’NY MPAMILY
Raha ny fanazavana nataon’ny depiote voafidy tao Betroka Atoa Nicolas Randrianasolo, sahabo tokony ho tamin’ny 11 ora no nandalo tao Ianabinda. Vahiny ilay saofera raha ny fahalalako azy. Ohatran’ny marivo ny rano ny fijereny azy raha ny fahazoako azy, nirisika foana izy, ka rehefa teo antenantenany no avy tampoka ny rano trambo, ka latsaka tao anaty « radier » ilay fiara. Olona 26 no hita faty. Tamin’ny voalohany ny mpamily nilaza fa 27 ny olona nentiny, kanefa rehefa nojerena dia tafakatra 26 ny faty hita, ary 9 ny hita velona. Mbola teo am-pikarohana ny zandary omaly hahafahantarana hoe firy marina no namoy ny ainy, ary firy no velona ? Efa nampahafantatra ny zava-misy PRRM Kolonely Randrianirina Michael ny tenany, ka natao ny fombafomba nanaterana ireo razana, ary nanome omby iray ihany koa ny Filoham-panjakana satria mila hamonoana omby hanaovana fombafomba mba hahafahana mitady ireo razana mbola tsy hita. Niantso ny hijeren’ny Fanjakana akaiky ity raharaha ity moa ity depiote ity. Nandefa kamio naka ny razana tany Betroka ny lehiben’ny Faritra Bekily. Mbola tsy fantatra mazava ny fihavian’ireo namoy ny ainy fa misy ny avy any Anosy, Androy. Ezahana kosa ny fikarakarana ireo razana faran’izay haingana mba tsy hahasimba azy ireo, hanampiana ireo fianankaviana namoy havana.
11 MATY TANY ANTSOHIHY
Ankoatra io, zava-doza ihany koa no niseho tany Antsohihy. Fiara Sprinter mpitatitra olona iray mitondra ny laharana 0748 TBM no tra-doza omaly maraina teo anelanelan'Anahidrano sy Betomendry, ao amin'ny Distrikan'Antsohihy. Latsaka tany anaty tetezana ary notsenain’ny vato ilay fiara. Tombanana ho torimaso teo am-pamiliana no mety ho isan'ny antony nahatonga ity lozam-pifamoivoizana ity, raha ny fanamarihana vonjimaika. Tafakatra 11 ireo namoy ny ainy, , raha ny tatitra vonjy maika nataon’ny ben’ny tanàna Harinomenjanahary Vanessa Justicia. 9 no maty teo noho eo raha ny fantatra, ny 2 kosa teny am-pamonjena toeram-pitsaboana no nanary aina. Nisy tamin’ireo maty no potipotika ny razana, ary tao koa ireo nosokirina.
MANODIDINA NY 300 NY MATY TAO ANATIN’NY 10 VOLANA MAHERY
Zava-doza tsy roa aman-tany no miseho, izay ny ampitson’ilay fanambarana nataon’ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny alatsinainy teo fa hanangana « Task force » hanara-maso eo anatrehan’ny loza mahatsiravina sesilany eto amintsika. Raha hiverenana, nahatratra 681 ny lozam-pifamoivoizana voarakitra nanomboka ny volana Janoary ka hatramin'ny volana Oktobra 2026 teto Madagasikara, nahafaty olona 265 ary naharatrana olona 1.562. Tao anatin’ny 10 volana latsaka no nahatratra an’izany, izay tena mampivarahontana. Tsy dia fanao ny manisa maty fa efa mananika ny 300 latsaka kely izany tao anatin’ny 10 volana sy tapany mahery kely, manome antontan’isa 30 isam-bolana. Tombanana ho ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fihetsika tsy tompon'andraikitra ataon'ny mpampiasa lalana no antony nahatonga ny 80,76%-n'ireo loza ireo, raha ny tatitry ny manam-pahefana.
Nandefa fiaramanidina naka ireo naratra tany Antsohihy ny fitondram-panjakana, mandray andraikitra amin’ny fampodiana ireo razana, ary mandray an-tanana ny fitsaboana ireo naratra, raha ny serasera ofisialin’ny Fiadididian’ny Repoblika omaly.
Toky R