Ministeran’ny Fitaterana ny Task force
Tsy mitazam-potsiny akory ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro manoloana ireo karazana lozam-pifamoivoizana nanimban-javatra sy namoizana aina teto amintsika izay marihina fa tena nifanesisesy tokoa tato ho ato. Nambaran’ny Ministra Ramanambola Herizo Andrianavalona fa efa natsangana ny Task Force hanara-maso sy hidina ifotony hanao ny fanentanana hivondronan’ny Ministera tantanany sy ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka, hotronin’ny Ministeran’ny asa vaventy. Tsy ny Ministera tantanako irery mantsy no tompon’andraikitra amin’ireny tranga ireny hoy izy fa maromaro ka tafiditra ihany koa ny tompon’ny fiara, sy ny mpamily....Ankoatra izay dia nilaza ihany koa izy fa hiara-kiasa amin’ireo sekoly mampianatra mamily fiarakodia na auto ecole manomboka izao ny Ministera. Misy mantsy ireo olona mihevitra hoy ny Ministra fa rehefa nahazo taratasy fahazoan-dalana hamily fiara izy dia mahay izay nefa tsy fantany akory na dia ny hafainganam-pandeha tokony hajaina aza rehefa miditra anaty tanana sy eto an-drenivohitra. Tsy ho an’ny fiarakodia ihany moa fa nasiany resaka ihany koa ny moto izay tokony samy hanaraka sy hanaja ny lalana mifehy ny fifamoivoizana avokoa hisorohana ny loza mety hitranga. Mikasika ny ady amin’ny kolikoly manokana dia fantatra fa nanokatra sehatra nomerika hahafahan’ny olona mitoroka kolikoly sy ny tsy fanaraha-dalana ihany koa ity Ministera iray ity. Fitaterana madio, lavitry ny kolikoly no lohahevitra. Azo ampiarahana amin’ny porofo an-tsary na an-taratasy izany ary tsy olana na amin’ny fiteny Malagasy na amin’ny fiteny frantsay. Ireo teknisianina ao amin’ny minisitera ihany no namolavola azy io ka omena kaody ny mpitoroka hanarahany ny fitarainana napetrany. Ao amin’ny tranonkala www.mtm.gov.mg/signaler no hapetraka ny fitorohana ary hosaziana ireo tratra mandika lalana.
Pati
Legende : Ny Ministry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Ramanambola Herizo nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !