airtel

Fifamoivoizana

18-nov-2026

LALANA

TOAMASINA-FOULPOINTE

Sample post image

Efa vitan’ny fiara ao

18-nov-2026

anatin’ny 2 ora latsaka
Anisan' ny tena nampitaraina fatratra ny maro teo aloha ny lalana miainga avy ao Toamasina miazo ny Faritra Analanjirofo ahitana ny distrikan’i Foulpointe. Efa vitan’ny fiara adin’ny 2 latsaka izany ankehitriny, lalana mirefy 49km izany hoe : nihena ora iray sasany na ora roa eo mihitsy raha oharina amin’ny teo aloha. Voarakotra tara avokoa ny am-pahany betsaka amin’ny lalana. Misy kosa ny am-pahany tsy maintsy natao "chaussée en béton", noho ny toe-tany mando lava vokatry ny rotsak'orana maro amin'iny faritra iny. Raha araka ny fantatra dia "entretien périodique" no hatao amin'izao, asa izay hatao mba hitazonana ny lalana ho tsara sy tsy ho simba haingana. Tafiditra ao anatin'izany ny fametrahana goudron vaovao, ny fanamboarana ireo lavadavaka, ny fanadiovana sy fanarenana ny tatatra ary ny fanamafisana ny sisin-dalana. Toraka izany koa ny fanavaozana ny marika sy ny famantarana eny an-dalana. Hitondra fampandrosoana amin'iny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo iny izao fahavitan'ny lalana izao. Fanamboaran-dalana izay natao tao anatin'ny tetikasa PDDR, vatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola. Ho an’ ny Faritra Analanjirofo manokana dia fantatra fa hanatanteraka foara ekonomika miavaka izy ireo ny datin’ny 27,28 ary 29 Novambra ho avy hampahafantarana ireo vokatra ara-toekarena mampahalaza iny faritra iny. Trano eva manodidina ny 100 no hiara-handray anjara amin’izany.
Pati
Legende : Vita tsara tahaka izao ny lalana !
 

Dans la même rubrique

18-nov-2026

Mitaky ny zony ny

Card image cap
18-nov-2026

Vokatra nentin’ny fankalazana

Card image cap
18-nov-2026

36 maty tany Betroka sy Antsohihy omaly,

Card image cap
18-nov-2026

fifaninànana ara-dalàna ny «taxi»!»

Card image cap
17-nov-2026

Natsangana eo anivon’ny

Card image cap