airtel

Fifamoivoizana

18-nov-2026

Lova Andriamparany

Mahazaka fifaninànana fa

Sample post image

fifaninànana ara-dalàna ny «taxi»!»

18-nov-2026

Resaka fifaninànana tsy ara-dalàna no toherin’ny fiarakaretsaka na «taxi» eto Antananarivo amin’izao fotoana izao, hoy ny mpamily fiarakaretsaka, Lova Andriamparany. Ireo fiara mifaninana amin’ny «taxi» mahazatra, hoy izy, dia afaka mampiasa herinaratra na solika, izany hoe, «gasoil», na rehefa mety angovo manamora ny fandaniany raha toa ka didian’ny lalàna ho tsy maintsy lasantsy na «essence» ny an’ireo fiarakaretsaka miloko bezy miraratra na «beige crème». Lafo indrindra amin’ny angovo rehetra ny lasantsy ary ny mpifaninana amin’ny fiarakaretsaka mahazatra koa nefa tsy mandoha hetra sy haba amin’ny tanàna sy firenena. Nisy fotoana nantsoina ny sasany tamin’ireny fitaovam-pitaterana vaovao ireny dia lazainy fa amin’ny maha orinasa tsotra azy no handoavany hetra. Tsy mazava izany. Mahazaka fifaninànana fa fifaninànana ara-dalàna ny «taxi»! Manambatra hery ny «taxi», eo ny hoe mihena loatra ny mpanjifa azy, fa eo koa ny fanaratsiana azy. Raha iverenana kely ny tantara dia ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha, Naina Andriantsitohaina, no nanaratsy voalohany fa sady ratsy ny «taxi» mahazatra no lafo velona mba hampidirany an’ireto mpifaninana ireto. Izy koa moa nifamaly tamin’ny filohan’ny fikambanan’ny «taxi» tamin’izany fotoana. Izao ilay fitaterana tsy manara-dalàna efa ho 6 sa 7 karazana? Ny fiarakaretsaka jirika na «taxi clandestin» mamely isan’andro efa tsy lazaina intsony. Nihena ny fahefà-mividin’ny malagasy taorian’ny COVID 19. Latsaka hatrany amin’ny 40% ny olona mitaingina «taxi». 28 taona izay no nanaovan’ny tena fiarakaretsaka. Miisa 120.000 isan’andro ny mpandeha ho ana «taxi» miisa 7500 eo, raha ny tarehimarika talohan’ny COVID 19, teto Antananarivo. Lasa tsy mihoatran’ny 40.000 isan’andro izy izao. Hatrany amin’ny 70% any mihitsy izany ny fihenana. Misy amin’ireo «taxi beige crème» no zara raha in-droa mitondra olona sisa anatin’ny herinandro ary misy tsy tafody an-trano intsony fa matory anaty fiara. Efa notakiana ny hanajanonana mihitsy ireto «taxi application» diso be loatra eto Antananarivo renivohitra ireto aloha. Tsy mahafeno ny fepetra maha fiarakaretsaka koa ireo satria tsy afa-manohina ny antson’ny vahoaka rehefa misy ny vonjy taitra isan-karazany. Manakarama «influenceurs» na olo-malaza anaty tambazotran-tserasera mihitsy nefa ireo hanaratsy ny fiarakaretsaka mahazatra. Ny ben’ny tanàna teo aloha, Naina Andriantsitohaina, sy ny politikany no nanomboka an’io fanimbàna ny «taxi» io. Efa noresahana ny minisitry ny fitaterana sy ny tomponandraikitry ny tanànan’Antananarivo ary efa nanome vahaolana moa ny minisitra fa hijery akaiky an’io ka isaorana manokana. Angatahana mba ho vahaolana maharitra no omena satria mamelona olona tsy latsaky ny 50.000 isa isan’andro ny «taxi» eto Antananarivo. Na karama farany ambany aza nefa izao lasa tsy azon’ny mpamily fiara karetsaka anatin’ny 1 volana. Mampanantena tolotra tsara ho an’ny mpanjifa koa izahay etsy ankilan’izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-nov-2026

Mitaky ny zony ny

Card image cap
18-nov-2026

Efa vitan’ny fiara ao

Card image cap
18-nov-2026

Vokatra nentin’ny fankalazana

Card image cap
18-nov-2026

36 maty tany Betroka sy Antsohihy omaly,

Card image cap
17-nov-2026

Natsangana eo anivon’ny

Card image cap