fianakavian'ireo tantsambo miasa ao
Niala tamin'ny fahanginany ny SYGMMA (Syndicat Général Maritime de Madagascar) mikasika ny raharaha sambo A.W. Nisy ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nataon'izy ireo tao Mahajanga ny sabotsy 14 novambra teo, notarihan'i Hery Haja, Sekretera jeneralin'ity sendika ity niaraka tamin'ny fianakavian'ireo tantsambo miasa ao amin'ny sambo A.W taorian'ny fitarainan'iretsy farany. 17 volana manjavozavo tsy ahenoam-baovao izao ilay sambo A.W, rehefa niala tao Mahajanga hiazo ny nosy Kaomoro ny 16 jona 2025 niaraka tamin'ny mpandeha 30 tao anatiny. Nanipika mazava i Hery Haja fa mbola mpiasa eo ambany fiahian'ny tompon-tsambo sady mpampiasa ireo tantsambo miasa ao amin'io sambo A.W io ary tsy mbola nisy ihany koa ny fampitsaharana fifanarahana arak'asa momba azy ireo. Koa tokony hitohy ny fisitrahan'ny fianakavian'ireo tantsambo ny karama efa fandrain'izy ireo, izay tamin'ny novambra 2025 no nisitrahan'izy ireo izany farany. Miaro ny zon'ny tantsambo ny SYGMMA, hoy i Hery Haja. I Madagasikara rahateo dia nanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa an-dranomasina na MLC 2006 sy ny Code Maritime, mamaritra ny zo sitrahan'ny tantsambo sy ny vady aman-janak'izy ireo. Notsiahivin'ny Sekretera jeneralin'ny SYGMMA fa nandray ny andraikitra manandrify azy ny sendika vao nahazo fampandrenesana mikasika ity sambo A.W. Efa nandalo ny antanan-tohatra rehetra ny fikaroham-baovao nataon'izy ireo, anisan'izany ny APMF izay Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomasina sy an-dranomamy. Nandray an-tanana ny fiantohana ny fianaran'ny zanak'ireo tantsambo miasa ao amin'ity sambo A.W ity amin'ity taom-pianarana 2026 - 2027 ity ny sendika.
Jean D.
Fianakavian'ireo tantsambo miasa ao amin'ny sambo A.W