Mpiasan'ny lalamby FCE (Fianarantsoa Côte-Est) miisa 165 no nisitraka ny tambin-kasasarany tsy naloan'ny fitondrana teo aloha nandritra ny 7 volana sy tapany, teo anelanelan'ny volana Febroary hatramin'ny Septambra 2022. Nanomboka omaly Alarobia 18 novambra 2026 io karaman'ny mpiasa io araka ny baiko nomen'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Randrianirina Michaël, sy ny toromarika nataon'ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison. Tsy mazava ny antony tsy nahavoaloa ny karaman'ireo mpiasa ireo, na dia nanao fitakiana nanaraka ny antanan-tohatra aza izy ireo. Nitarika ny fizarana izany tambin-kasasaran'ny mpiasa nandritra ny 7 volana sy tapany izany Atoa Rangers Fiatoae, Administrateur Délégué ny RNCFM (Réseau National des Chemins de Fer Malagasy). Hitohy amin'ny fivoriam-be iraisan'ny mpiasa sy ny mpitantana miaraka amin'ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro, Andrianavalona Ramanambola Herizo, ny fotoana anio Alakamisy 19 novambra 2026, ao amin'ny Cercle des Cheminots ao amin'ny FCE Ankazondrano ihany.
Nangonin'i Jean D.