airtel

Fifamoivoizana

08-avril-2026

Loza nahafaty olona 2

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

Sample post image

ny mpamilin’ilay fiarabe nitondra kaontenera

08-avril-2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny Fonjaben’Antanimora omaly talata 07 aprily 2026 ny mpamilin'ilay fiara vaventy nitondra kaontenera, nianjera tamin'ny fiaran'olona ka nahafaty ny Renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy, tany Andranomangatsiaka Manjakandriana, làlam-pirenena faharoa. Raha tsiahivina kely, fiara Huindayi Terran iray nisy olona 3 mianaka dia mpivady sy ny zanany vavy iray vao erotrerony no nianjaran’ilay kaontenera ny 31 martsa 2026 lasa teo, ka nahafaty tsy tra-drano ireo mpianaka dia ilay renim-pianankaviana sy ny zanany vavy, raha toa ka naratra be kosa ilay raim-pianankaviana izay teo amin’ny « devant ». Ilay vehivavy no voalaza fa namily, raha ary taoriana kosa ilay zanany vavy, ka izy mianaka ireo ilay niaraka namoy ny ainy tao anatin’izany, izay nifampisokirana tao anatin’ny fiara izay potsitry ny kaontenera.
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

an'ny zotra amin'ny RN7 sy ny RN2

Card image cap
06-mai-2026

Efa nisokatra ny lalana mampitohy

Card image cap
06-mai-2026

nampidirina ambalam-pamonjana ilay fiara

Card image cap