airtel

Fifamoivoizana

07-mai-2025

LOZA NAHAFATY OLONA 4 TENY AMIN’NY BY PASS

Nidoboka am-ponja ilay sinoa, nitory

Sample post image

ilay Ramatoa nitondra Jimny ny fianakaviana

07-mai-2025

Tsy ilay tera-tany Sinoa irery izay nidoboka vonjimaika any Tsiafahy omaly, fa tokony hizaka ny vokatry ny nataony ihany koa ilay Ramatoa iray voalaza ho nitondra Jimny ka fototry ny loza nahafaty azy 3 mianaka sy lehilahy iray teny amin’ny By pass manoloana ny Elgeco Plus ny alin’ny Alarobia 30 Aprily lasa teo, hoy ny fianankavian’ny maty. Nitory io Ramatoa io ny fianakavian’ny maty vokatr’izany na dia mbola tsy fantatra aza izy. Notsiahivin’ireo nanatri-maso ary fa avy any Iavoloha ilay tera-tany Sinoa sy ny fiarany. Nifanena taminy kosa ilay fiara cliokely iray nisy azy 3 mianaka sy lehilahy iray. Nisongona ilay fiara nentin’ilay tera-tany Sinoa io Jimny io ka nandona azy mafy, antony nahatonga ny fiaran’ilay Sinoa nihakapoka tany amin’ny fiara nisy azy 4 mianaka maty ary nivadika tany an-tanimbary avy eo hoy hatrany ny fitantaran’izy ireo. Fantatra moa fa niaraka tamin-dehilahy iray io Ramatoa nitondra Jimny io tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza koa raha vantany vao nitranga izay dia naka ny toeran’ilay lehilahy teo akaikiny izy. Tsy nijanona teo moa ny raharaha hoy hatrany ireo nanatri-maso fa lasa nitsoaka izy ireo ka ilay tera-tany Sinoa irery ihany no nifatraran’ny rihitra. Omaly Talata 06 May no niakatra Fitsarana ny raharaha saingy mbola andrasana kosa ny mety ho tohin’ny fitadiavana ilay Ramatoa nitondra Jimny.
Pati
Legende : Izy 3 mianaka anisan’ireo namoy ny ainy !
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Tsy alatsinainy, tsy talata, tsy sabotsy, tsy alahady, saika isan’andro vaky

Card image cap
02-juin-2025

Tany amin’ny taona 1987 mbola tratran’ny lamandy 140 Ariary na 700 Franc izahay,

Card image cap