airtel

Fifamoivoizana

14-mai-2024

Loza sesilany eny amin’ny By Pass

Mpandeha moto avy aoriana maty voahitsaky ny kamio

Sample post image

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

14-mai-2024

dia nahafaty olona indray teo amin’ny Vato By Pass, 100 metatra miala ny sampana miadidy ny fananan-tany na «domaine». Olona niara-nitaingina moto no nianjera, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso, ka ilay avy tao aoriana no voahitsak’ilay fiarabe na kamiao nandalo. Maty tsy tra-drano ity farany. Tsy tapaka lozam-pifamoivoizana mihitsy, araka izany, eny By Pass eny. Tsy vao izao no nitrangana lozam-pifamoivoizana tamin’iny lalana iny. Misy fandrindrana fifamoivoizana tokony atao maika eny amin’iny faritra iny ve sa ireo mpampiasa lalana mihitsy no matetika alaim-panahy handeha mafy rehefa manjohy azy iny fa dia nahafaty olona indray aloha izany teny alina?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»

Card image cap