airtel

Fifamoivoizana

12-mai-2022

Fifamoivoizana

Loza tany Arivonimamo Nodimandry omaly ilay raim-pianakaviana nitondra moto

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny Jovena Arivonimamo ny faran’ny herinandro teo. Moto nentina raim-pianakaviana iray no nifandona tamina kamiao iray lehibe.

12-mai-2022

Namoy ny ainy vokatr’izany ilay raim-pianakaviana mpitondra moto izay marihina fa vao 43 taona monja. Nianjera izy raha araka ny fantatra ary nisy fiatraikany tamin'ny vatany izany. Simba ihany koa ilay moto nentiny. Taorin'izay loza nitranga moa dia nentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha ilay Raim-pianakaviana. Na izany aza anefa tsy tana intsony ny ainy. Namoy ny ainy omaly Itompokolahy raha araka ny vaovao azo. Marihina moa fa nahazo vahana tanteraka ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny fitaingenana moto tato ho ato ka tokony handraisan’ny fanjakana fepetra mihitsy. Anisan’ireny ny tokony hananan’ireo mpamily taratasy fahazoan-dalana mitondra manokana mihitsy.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»

Card image cap