airtel

Fifamoivoizana

15-sept-2026

Loza teny Ambohidahy

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Sample post image

Nidoboka am-ponja vonjimaika

15-sept-2026

mandra-piandry ny Fitsarana azy i Charles, ilay mpamily taksibe zotra 186 nandona olona 9 tetsy amin'ny tonelina Ambohidahy, raha ny vaovao azo omaly hariva. Raha hiverenana, tamin'ny talata 8 septambra no nisehoan'ny loza, nahatratra 5 no maty, izay teny amin’ny Hopitaly avokoa izy ireo no tsy tana ny ainy, ka ny roa namoy ny ainy ny androtry ny loza. 3 no mbola manaraka fitsaboana ankehitriny, raha 1 nody teo no ho eo. Voalaza fa tsy resaka fahatapahan'ny hisatra velively no nahatonga ny loza. Ara-dalàna ny fiara, toy izany koa ny mpamily, salama ary tsy nisy resaka alikaola, fa niala bisikileta izy raha ny fitantarany, araka ny notaterin’ny vadiny. Ny lozam-pifamoivoizana nahafaty olona eto Madagasikara dia sokajiana ho homicide involontaire (famonoana olona tsy nahy) raha vokatry ny tsy fitandremana na ny tsy fahaiza-manao. Araka ny Andininy 319 sy 320 ao amin’ny Fehezan-dalàna famaizana, ny sazy fototra dia fampidirana am-ponja (emprisonnement) mandritra ny 6 volana hatramin’ny 2 taona, ary mety hiakatra araka ny toe-javatra manokana toy ny fisotroana toaka (ivresse au volant) na fandehanana mafy (excès de vitesse). Ankoatra izany, azo ampiharina koa ny onitra (amende) izay miovaova arakaraka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny Fehezan-dalàna famaizana, ary matetika miaraka amin’ny sazy am-ponja na amin’ny sursis (fampiatoana vonjimaika ny sazy). Raha misy délit de fuite (fandosirana aorian’ny loza) na tsy fanaraha-maso ny fiara (défaut de maîtrise du véhicule), dia ampiana sazy fanampiny. Eo amin’ny sehatra ara-pitantanana, ny mpamily dia mety ho voasazy amin’ny fampiatoana na fanafoanana ny permis de conduire (fahazoan-dalana mitondra fiara), ary amin’ny tranga miverimberina na loza nahafaty olona dia mety ho voarara tsy hanao asa fitateram-bahoaka (interdiction d’exercer le métier de chauffeur de transport public). Ny lalàna koa dia mandidy ny mpitatitra hanatitra tatitra amin’ny Agence des Transports Terrestres (ATT – Sampan-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety) ao anatin’ny 48 ora aorian’ny loza. Amin’ny ankapobeny, ny fitsarana dia manavaka ny homicide involontaire simple (famonoana tsy nahy tsotra) sy ny homicide involontaire aggravé (famonoana tsy nahy mavesatra noho ny toe-javatra manampy). Ny voalohany dia sazy 6 volana hatramin’ny 2 taona am-ponja, fa ny faharoa kosa mety hiakatra hatramin’ny fetra ambony indrindra voafaritra ao amin’ny lalàna, indrindra raha misy toaka na fandehanana mafy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

ny 80-90%n’ny kaoperativa

Card image cap
16-sept-2026

Tsy mihemotra ny Fanjakana !

Card image cap
16-sept-2026

Niteraka fifandonana sy faty olona, 16 voasambotra

Card image cap
16-sept-2026

Hosorahana sy voarara tanteraka ny gaboraraka

Card image cap