airtel

Fifamoivoizana

05-févr-2024

Loza teny Tanjombato

Fiara « 4x4 » nahafaty olona nandositra

Sample post image

Andro alina ny zoma 2 febroary 2024 teo tamin’ny 9 ora sasany

05-févr-2024

alina teo ho eo dia nisy fiara 4x4 nirifatra teo Tanjombato, am-pitan'ny France Pub ary nandona mafy olona iray izay marihiko fa mpiasa ato aminay, hoy ny tompona orinasa iray eny an-toerana nampita vaovao. “Manœuvre BTP” na mpanao trano tato, hoy izy. Nitsaoka fa tsy nijanona io 4x4 io tamin’io fotoana io ary nenjehina fa tsy tratra mihitsy fa dia nanao “départ américain”. Io olona niasa tato io dia olona tsy mba manana havana na iza na iza eto Antananarivo fa any Betafo no tena misy azy. Na kara-panondro aza tsy nananany fa dia noho ny fahatsoram-ponay dia noraisinay an-tanan-droa izy hiasa ary tena niasa tamin’ny fo manontolo. Tsy nanana olana tamin’ny fiarahamonina na kely ary. Eto aho dia mampilaza anao ry saofera fa maty anio (TTF: ny sabotsy 3 febroary teo) tamin’ny 12 ora sy fahefany tao amin'ny HJRA izy ka hoy aho hoe manodiava anao ny nataonao ary izahay tsy olonolom-poana ka hanaiky tsy fidiny fa dia efa mandeha ny fanadihadiana amin'ny izao fotoana, hoy hatrany ity tompona orinasa ity naneho ny alahelony.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap