airtel

Fifamoivoizana

18-août-2025

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina

04 namoy ny ainy tao Ankadinondry Sakay

Sample post image

Manao tohivakana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika amin'izao fialan-tsasatra lehibe izao.

18-août-2025

Fiara taxi-brousse Mercedes Benz iray mampitohy ny distrikan'i Tsiroanomandidy sy Ambositra indray no nivadika, mahazaka mpandeha miisa 27. Ny 15 Aogositra lasa teo tokony ho 10 ora alina no nitrangan'ny loza tao Ihazomay, Fokontanin'i Fanjakamandroso, Kaominina ambanivohitr' Ankadinondry Sakay. Raha araka ny fantatra dia tao anatin'ny fiakaran'Ihazomay no nikasa hisongona kamiao ilay taxi-brousse. Nisy fiara nifanena tampoka taminy anefa. Nikatso vokatr'izany ny tsindry hisatra ka maty tampoka ny motera. Nivarina tany anaty hantsana tao an-kaviany ilay fiara vokatr'izany. Mpandeha miisa 2 no maty teo no ho eo. Mpandeha 2 hafa koa no namoy ny ainy rehefa tonga tany amin'ny hopitaly raha mpandeha miisa 23 no naratra mafy ka nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana ao amin'ny CSB II Ankadinondry. Ny 6 tamin'ireo moa no voamafy ka tsy maintsy nakarina ao amin'ny CHRR Bongolava. Isan'ireo naratra moa ilay lehilahy 50 taona mpamily sady tompon'ny fiara.
Pati
Légende : Potikabe tahaka izao ilay fiara !
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

afaka mandray fiaramanidina 100 isan'andro

Card image cap