airtel

Fifamoivoizana

08-mai-2023

Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Namoy ny ainy ny Miss Majestics Moramanga

Sample post image

Lasa tany ambany kamiao ny moto nitondra azy Fitaovam-pitaterana tena ilaina nefa tena atahorana ihany koa ny kodiaran-droa na ny moto.

08-mai-2023

Tsy vitsy mantsy ireo olona efa namoy ny ainy tamin’ny fitaingenana azy ireny ka anisan’ireny i Sitraka ilay tovovavy kely manodidina ny 20 taona, lany miss Majestics Moramanga tamin'ny herinandro lasa teo. Raha araka ny ny vaovao voaray dia lasa tany ambany kamiao ny moto nitondra azy, tranga niseho tao Moramanga ihany. Nentina novonjena tany amin'ny hopitaly izy vokatr’izany tsy tana ny ainy, noho ny rabe very loatra taminy. Tsiahivina moa fa izy no nahazo ny Couronne Miss Majestics Moramanga 2023 tamin'ny présélection Miss Majestics Distrikan’i Moramanga. Tamin’ny 29 aprily lasa teo no nanatanterahana ny lanonana nifandraika tamin’izany.Tokony hisolo tena ny distrikan’i Moramanga mandritra ny fifaninana rezionalin’ny Miss Majestics Alaotra Mangoro taona 2023-2024 moa ny tenany raha velona soa aman-tsara teo hifaninana amin'ireo tovovavy tsara tarehy sy bikana manerana ireo distrika efatra mandrafitra ny Alaotra Mangoro. Alevina anio ny nofo mangatsiakany raha araka ny loharanom-baovao.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap