Moto 2 no nifandona tamin’izany, ny iray niankavia raha niankavanana kosa ny iray. Maty tsy tsa-drano vokatr’izany ny mpamily ilay moto iray raha tsy nahatsiaro tena kosa ny iray. Vokatry ny hamafisan’ny fifandonana no nambaran’ ireo nanatri-maso fa antony nahatonga izany. Samy nandeha mafy nanararaotra ny lalana tsara mantsy izy ireo hoy ny resaka niely teny an-toerana, ny arabe rahateo nikodana saingy izao namoizana ny ain-dehiben’ny iray izao. Tsiahivina moa fa ny mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Ny 80%-n’izany dia vokatry ny olana ara-teknika mety hahazo ilay fiara na moto avokoa raha vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily toy ny fandehanana mafy, ny hamamoana eo am-pamiliana kosa ny 20%.
Pati
Legende : Nitsirara eran’ny arabe tahaka izao ireo mpitondra moto !
Saika miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra avokoa amin’izao ireo mpamily