Ihosy, Faritra Ihorombe ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny alalan'ilay "fonds d'urgence" tao amin'ny CHRR Ihosy no nanatanterahana izany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia niisa 22 ireo maratra noraisina an-tanana ka ny 8 tamin'izy ireo no nampidirina hopitaly, ny iray nalefa haingana nihazo ny CHU Fianarantsoa noho ny voina mafy loatra nahazo azy. Ireo ekipan’ny SDSP Ihosy, ny CHRR Ihosy ary ny DRSP Ihorombe no nifarimbona tamin'izao "Vonjy Aina" izao. Tsy misy ahiana intsony ny ain’ireo marary hoy hatrany ny vaovao. Efa notazonin’ny mpitandro ny filaminana hanaovana fanadihadiana kosa ilay mpamily raha efa nalefa omaly ireo namoy ny ainy taorian’ny nanaterana ny razana teny amin’ny tranom-paty.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny vonjy aina natao tamin’ireo naratra
An-taonany maro no tsy mivaha ny olan’ny Mpiasan’ny zotran-dalamby FCE
Mijoro manomboka anio alatsinainy 19 may 2025 ny antsoina hoe Gasy MRV
Misy hatrany ireo olona maty vokatry ny loza ateraky ny kodiaran-droa eto amintsika.