Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no nitranga tsy lavitra ny "Campus" na toeram-ponenan'ny mpianatra ao amin'ny Oniversiten’i Toliara, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Omaly tokony ho tamin’ny 4 ora maraina no nitranga ny loza. Moto na kodiaran-droa no nentin’izy roa, lehilahy iray sy vehivavy iray, tamin’io fotoana io. Samy namoy ny ainy tsy tra-drano izy ireo. Mbola tsy fantatra mazava ny Anton'ilay loza hatreto fa handrasana ny fanazavàna feno. Tsy mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Toliara izy roa ireto, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija