airtel

Fifamoivoizana

30-janv-2024

Lozam-pifamoivoizana teny Imaintimaso

Niheren-doza ny namana Zoelson Randrianindrina

Sample post image

Niheren-doza ary arahabaina tsy maty fo aman’aina moa izany ny

30-janv-2024

namana mpanao gazety, Zoelson Randrianindrina, sy ireo niray fiara taminy raha to ka niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo Imaintimaso, Ambohijoky, ny alahady teo. Raha ny fanazavan’ny isan’ireo mpandeha dia tsy nisy hoe nandeha mafy na mamo na nanao taingim-be fa ilay lalana no nihotsaka ka izay no nampivadika ity fiarabe nitondra azy ireo ity tamin’io fotoana io. Nandray ny andraikiny mandra-pahatonga ireo niharam-boina taty Antananarivo ny tompon’ny fiara. Ny daka mandrivorivon’ny mpilalao tantara malaza amin’ny onjam-peo, Christophe Rabearimanana, no nampivaha ny varavaran-kely nahafahan’ireo rehetra tao anatin’ny fiara nivoaka tao. Ankoatran’ny maha mpanao gazety azy tokoa moa dia mpilalao tantara amin’ny onjapeo ihany koa ny namana Zoelson Randrianindriana no sady poeta sy mpanoratra, mpikambana eo anivon’ny Faribolana sandratra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»

Card image cap