airtel

Fifamoivoizana

18-nov-2024

MADAGASCAR AIRLINES

Hisy fiaramadinina vaovao ho avy amin’ny desambra

Sample post image

Efa niverina amin’ny laoniny nanomboka afak’omaly Sabotsy 16 Novambra ny lamina rehetra

18-nov-2024

napetraka teo anivon’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Malagasy Madagascar Airlines. Tafiditra ao anatin’izany ny fonomezana fotoana ara-dalana ny mpandeha fa tsy mihemotra intsony. Toraka izany ny fitadiavana vahaolana ho an’ireto farany rehefa amin’ny fotoana tokony handehanany fa tsy miandry intsony. Miisa 4 amin’izao raha araka ny fantatra ny isan’ireo fiaramanidina hampiasain’ity kaompaniam-pitaterana iray ity izay tombanana mbola hiampy iray amin’ny tapaky ny volana Desambra ho avy io. Ho fanomezana fahafaham-po ny mpandeha no voalaza fa antony nanafarana ity fiaramanidina iray farany ity. Noho ny olana ara-teknika moa no voalaza fa antony nampijanona ireo mpandeha sasany tokony hiainga ny herinandro lasa teo ka niantso sy nitaraina tamin’ny mpanao gazety.
Pati
Legende : Tonga nandamina izany tety amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Ministra tompon’andraikitra !
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

afaka mandray fiaramanidina 100 isan'andro

Card image cap