Nambarany tamin’izany fa solika manara-penitra no hafarana eto amintsika ary efa notiliana manokana vao tsinjaraina eny amin’ireo toerana voatokana hivarotana izany. Matoa misy ireny mitapoka ireny hoy izy dia eny amin’ny tobim-pivarotan-tsolika no mety misy olana. Noraisiny ohatra tamin’ireo olona mpanamboatra antsy ity zava-mitranga eto amintsika ity. Natao hitetehana zavatra ny antsy amin’ny ankapobeny hoy izy saingy tsy manakana ny sasany tsy hamono olona amin’ny antsy izany. Tsy manakana ny sasany tsy hanapoka zavatra ihany koa hoy izy ny solika hamidy eny amin’ny tobim-pivarotan-tsolika rehefa ho ratsy izy. Na izany aza anefa dia notsihiaviny fa efa misy ireo olona tratran’ny mpitandro ny filaminana izay nomarihiny fa tambajotra mihitsy. Mikasika ireo tobim-pivarotan-tsolika moa dia nambaran’ny Ministry Andry Ramaroson fa manana bokin’andraikitra mifehy azy izy ireny. Anjaran’ny fanjakana ny manara-maso izany na manana izany ilay tobim-pivarotan-tsolika na tsia hoy izy hahafahana mampanara-dalana azy.
Pati
An-taonany maro no tsy mivaha ny olan’ny Mpiasan’ny zotran-dalamby FCE
Mijoro manomboka anio alatsinainy 19 may 2025 ny antsoina hoe Gasy MRV
Misy hatrany ireo olona maty vokatry ny loza ateraky ny kodiaran-droa eto amintsika.