airtel

Fifamoivoizana

19-janv-2023

Fifamoivoizana

Marim-pototra sa famitaham-bahoaka ? Tokony efa misy 8 km ny « Autoroute » vita

Sample post image

Mitombo hatrany ny ahiahy amin’ny fomba fiasan’ny Fanjakana Rajoelina, izay matetika toa mitady ho lasan-ko vavany tahaka ny haron-tabebaka.

19-janv-2023

Serasera hakana doka no betsaka fa ny tena asa toa vato fototra ny ankamaroany. Manomboka mitohy indray ny fametraham-panontaniana momba ny fanatanterahana ny “autoroute” Antananarivo Toamasina hoe: aiza ho aiza? Tena handeha sa nijanona teo amin’ny vatofototra namoriana vahoaka sy an-kitrongitrongy nanotofana tanimbarin’olona teo akaiky teo? Toa mampahatsiahy ny vatofototry ny “Voie rapide” 10 km tao Toamasina efa tamin’ny 07 aprily 2019 no nametrahana vato fototra. Isan’ny nahery vaika ny fanehoan-kevitry ny Minisitry ny asa vaventy teo aloha Jeneraly Tsaranazy Jean Emile. Hatreto, tsy mbola hita soritra ny asa fanamboarana izay voalaza fa 80 Km no tsy maintsy ho vitaina ao anatin’ny herintaona, hoy izy. Raha ny kajikajy, 200m isan’andro no tokony ho vita, tamin’ny 3 desambra 2022 no nametrahana, 40 andro izay no lasa, tokony efa misy 8km vita, hoy izy. “Mampanontany tena hoe: tena programa mari-pototra sa propagandy hamitahana ny vahoaka Malagasy », hoy ny Jeneraly Tsaranazy Jean Emile. Nomarihiny ihany koa fa ny olona maka vola amin’ny fandanjana dia tokony handoa vola amin’ny Fanjakana satria mialohan’ny hanaovana « autotroute » dia mila « étude de tracé » izay hanao « éxpropriation pour cause d’utilité publique » na hanesorana olona amin’ny taniny noho ny filàn’ny Fanjakana azy ho an’ny tombotsoam-bahoaka. Fampidiram-bola amin’ny tanim-panjakana, fa tsy ny Fanjakana no hanokana amin’ny tetibolam-panjakana vola haloa amin’ny orinasa, ka lasa mifamadika, hoy izy. Mandrak’androany, ny fanamboarana ilay 80km aza mbola mampiahiahy hoe: tena handeha ve ary hisy ve ilay 301 miliara hanaovana azy? Mainka fa ny ambiny hahafeno azy 260 km? Ny hizorany aza toa mbola baraingo! Momba ny fikojakojana ny làlana, tokony hisy foana, hoy izy, ny “entretien courant” manomboka janoary-desambra, ary eo ihany koa ny “entretien périodique”. Notsipihiny fa tsy tokony handalo amin’ny Tahirimbolam-panjakana, fa avy hatrany dia handoavana ny asa vitan’ny orinasa ny vola miditra avy amin’ny solika na ny FR (Fonds Routier). Ny Minisitry ny asa vaventy teo aloha Hajo Andrianainarivelo moa nilaza fa raha tonga teo dia 200 miliara Ar no novantanina tao amin’ny FR, ary namela 590 miliara Ar teo ho eo niala teo. Potika anefa ireo làlana tena miasa be: RN2, RN4,RN7,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap