Moto iray sy fiara Mazda iray no nifandona afak’omaly Alahady 17 Novambra tany Ambohimanazaka, Ambatolampy. Tafiditra tao ambanin’ny kodiaran’ilay mazda vokatr’izany ilay moto ka namoy ny ainy na dia efa nentina notsaboina sy niala nenina aza. Noho ny tsy fitandreman'ilay mpitondra moto moa no voalaza ho nahatonga ny loza. Tsy nanaraka ny lalana tandrify azy mantsy izy no sady mbola nandeha mafy ihany koa. Ankoatra ity tranga mampalahelo ity moa dia mpitondra moto iray ihany koa raha tsiahivina no namoy ny ainy tamin’io afak’omaly Alahady io teo aloha kelin'i Beronono lalam-pirenena voalohany. Mpisakaiza izy ireo no nitondra ilay moto ka nifandona tamin'ny fiara taxi-be an’Imerintsiatosika. Namoy ny ainy teo noho eo moa ilay lehilahy nitondra ny moto raha tapaka nipitika mihitsy ny fean’ilay tovovavy niaraka taminy. Tsiahivina moa fa mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Ny 80%-n’izany dia avy amin’ny mpamily avokoa raha olana ara-teknika mahazo ny fiara na moto ny 20%.
Pati
Legende : Mamono olona hatrany ny kodiaran-droa eto amintsika !
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»