hiverina ny "Train de banlieue"
Eo ampelan-tanan'ny Malagasy tia sy mahafehy azy ny MADARAIL. Mitsoka ny rivotry ny fanavaozana ao amin'ity orinasam-panjakana ity ary azo tsapain-tanana ny vokatra tao anatin'ny 45 andro nanalihana ny vazaha nampikoroso fahana ity orinasa ity ka nandraisan'ny fanjakana tarihin'ny filohan'ny Fanavaozana Kolonely Randrianirina Michaël ny fanarenana azy. Nanomboka tamin'ny fanovana ireo mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanana izany, ka i Patrick Raharimanana no Filohany ankehitriny. Raha lohamasinina telo monja no niasa dia tafakatra enina izany tao anatin'ny 45 andro, noho ny fahaiza-manao sy ny fiaraha-mientan'ny mpiasa eny fa na ireo mpiasa tranainy aza mbola tonga manao tantsoroka, noho izy ireo mahatsiaro ho tompony sady efa filozofian'ny mpiasan'ny lalamby izany. Manome lanja ny maha olona rahateo ny mpitantana vaovao ka mampisy risimpo sy mampavitrika ny mpiasa.
STRATEJIKA
Tonga teny Soarano misy foiben'ny MADARAIL ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro Herizo Andrianavalona sy ny mpiara-miasa akaiky aminy ny Alatsinainy 23 novambra 2026 nitsidika ireo toeram-piasana samihafa natokana ho amin’ny fanamboarana, ny famoronana ary ny fikojakojana ireo fitaovana sy fiarandalamby, sady nankasitraka ny mpiasa tamin'ny nahazoana ny vokatra azo tsapain-tanana tao anatin'izay 45 andro izay. Sambany no nisy Minisitry ny fitaterana tonga nitsidika ny MADARAIL tao anatin'ny 20 taona. "Manana lanja sy heviny manokana ho an'ny Madarail ity fitsidihana ity", hoy Rakotomalala Fidinirina Erico, solontenan'ny mpiasa nandray fitenenana nandritra ny fihaonan'ny minisitra tamin'ny mpiasa. "Hita taratra amin'izao fa tsy adino ny anjara toerana lehibe tanan'ny fitaterana an-dalamby eo amin'ny fampandrosoana ara-toekarana sy sosialy eto amin'ny firenena. Fotodrafitr'asa stratejika ho an'ny firenena ny lalamby. Manana anjara toerana lehibe amin'ny fitaterana entana sy olona, amin'ny fampiroboroboana ny Varotra, ny fampifandraisana ny Faritra ary fanohanana ny sehatra famokarana sy ny toekarem-pirenena ny MADARAIL. Mbola maro ny fanamby sedrain'ny orinasa, indrindra eo amin'ny lafiny foto-drafitr'asa, fitaovana, lokomotiva ary ny kalitaon'ny tolotra omena ny mpanjifa ka ilaina ny fanohanan'ny fitondram-panjakana", hoy hatrany i Erico. Nilaza ny Minisitra Herizo Andrianavalona ho setrin'izany fa "tanjona ny hahafantarana ny tena zava-misy sy ny fanamby atrehin’ny orinasa eo amin’ny fanatanterahana ny asany". Nohamafisiny fa "araka ny politikam-pitantanan'ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël sy ny tari-dalan'ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny Tetikasa "Projet de transport multimodal et de logistique" (PTML) ny fitaterana an-dalamby. Nahazoana famotsiam-bola eo amin'ny 149 tapitrisa dolara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena ity tetikasa lehibe ity izay natao indrindra hanamafisana ny fifandraisana sy hanalana amin’ny fitokana-monin'ireo faritra sy tanàna mpamokatra eto Madagasikara, mba hanamorana ny famoahana ny vokatra sy hampandrosoana ny toekarena.
HAVERINA AMIN'NY LAZANY
Mitatitra solika 120 000 taonina isan-taona eo ny MADARAIL raha nahavita 450 000 taonina ny lanjan'entana notaterin'ny MADARAIL taloha. Niakatra ho 150 Ariary isaky ny kilao ny saram-pitaterana entana avy any Toamasina raha 89 Ariary monja izy teo aloha. 2.000 litatra no lany vao mahavita ny zotra Antananarivo - Toamasina. Manatombo lavitra noho ny eny amin'ny toby mpaninjara, izany hoe : 9.000 Ariary ny litatra no ividianan'ny MADARAIL ny solika ampiasainy, araka ny fifanarahana nifanaovan'ny mpitantana teo aloha. Mibaby trosa solika 5 lavitrisa Ariary ny MADARAIL, 600 000 Ariary ny tsakemboka CNAPS tsy voaloa ankoatra ny hetra tsy voaloa sy "frais de concession de l'Etat" izay vary mangatsiaka navelan'ny vazaha mpitantana teo aloha. "Halaina ka haverina amin'ny MADARAIL ny fananany izay fananam-panjakana rahateo",hoy ny Minisitra Herizo Andrianavalona. "Misy ny fifampidinihina ataon'ny Filankevi-pitantanana sy ny Foibem-pitondrana ankapobeny amin'ireo mpamatsy sy manan-trosa amin'ny MADARAIL amin'izao. Andalam-pandinihana ireo fifanarahana manambaka nifanaovan'ny MADARAIL Développement, izay rantsana nanankinan'ny mpitantana teo aloha ny fampanofana ny fitaovana sy ireo fotodrafitr'asan'ny MADARAIL", hoy i Patrick Raharimanana, filohan'ny Filankevi-pitantanana satria manana tanjona fohy ezaka ny MADARAIL dia ny hamerenana ny fitaterana solika amin'ny zotra TCE (Tananarive Côte-Est), hamerina ny "Train de banlieue" Antananarivo - Behenjy, Antananarivo - Manjakandriana, Antsirabe - Ambohimandroso ary ny DIATSARA Toamasina - Brickaville - Moramanga ho in-droa isan-kerinandro ka hafa ny mitondra olona ary hafa ny mitondra entana. Tafiditra anatin'izay tanjona fohy ezaka izay ihany koa ny hamerina ireo Gara lehibe : Soarano, Alarobia, Manguiers Toamasina ary ny fanarenana Gara Antsirabe.
"Haverina amin'ny lazany ny lalamby Malagasy", hoy i Patrick Raharimanana.
Jean D.