faha-34 sy faha-35 miazo ny Faritra Menabe. Voakasik’izany manokana ny ao Miandrivazo sy Mahabo izay hakan’ireo mpanararaotra tombony be mihoampampana tokoa. Tafakatra 5.800 Ar mantsy ny iray litatra amin’izany raha tokony ho 4.900 Ar ny ara-dalana. Noho ny tsy fisian’ny gazoala eny amin’ny tobim-pivarotan-tsolika no voalaza fa anton’izany raha misy kosa ny lasantsy. Milahatra mitandavana toy ireny milaha-drano eny amin’ny paompy ireny ny bidon miloko mavo hivarotana gazoala vokatr’izany any amin’ireo lalam-pirenena roa ireo. Kofona ary tena fanina tsy misy manan-koraisina intsony noho izany ireo mpamily taxi-brousse sy mpampiasa lalana sendra lany solika any amin’ireo distrika miisa roa ireo raha araka ny vaovao voaray. Efa ho herinandro mahery moa izao no niainan’ireto farany izany koa hanaovany antso avo amin’ny tompon’andraikitra.
Pati
Sary fanehoana
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»