airtel

Fifamoivoizana

24-janv-2023

Fifamoivoizana

Mihotakotaka tanteraka ny fitondrana Ahiana hisy raharaha hirefotra ato ho ato

Sample post image

Mihasarotra ny toeran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Ny ao anatiny miharatsy ny toe-draharaha, misy olom-panjakana ambony toa efa sarotra ny mifehy azy.

24-janv-2023

Ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry mifampitandroka, efa tsy voalamina ao anatiny intsony: depiote sy governora, depiote sy minisitra, depiote iray loko amin’ny fitondrana henjehin’ny mpitondra,…. Ny andrim-panjakana ao anatin’ny fahefana mpananteraka sy ny mpanao lalàna ireny nifandramatra tamin’ny resaka fitsipaham-pitokisana ireny. Efa tsy marin-toerana intsony ny fananan’ny fitondrana maro n’isa, ary sarotra ny filalaovana antontan’isa.Nisy ny sonia 105 tao amin’ny Antenimieram-pirenena ny 7 desambra 2022 nanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta, ary ny Praiminisitra nilaza ny zoma 20 janoary 2023 fa nisy ihany koa ny sonia 108 nankasitraka ny governemanta. Tsy nisy aloha na solombavambahoaka iray aza nitory fa nisy nangalatra ny soniany tamin’ny fitsipaham-pitokisana, raha toa ka tsy fantatra ofisialy kosa ireo 108 nolazan’ny Praiminitra. Lasa 215 ve izany ny isan’ny depiote ary mety ambonin’io aza raha ampiana ny tsy naneho hevitra? Endrika isehoan’ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika intsony iny, ary misy amin’ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana no efa manomboka misabaka sy mijery izay hasiana ny tongotra. Misy mihitsy no efa mampitovy tadin-dokanga amin’ny mpanohitra. Misy ihany koa ny mpandinika politika milaza fa efa sarotra ihany koa ny mifehy ny Praiminisitra na maneho aza ity farany, fa tsy ho kandida filoham-pirenena, mitazona ny teny nomena,… Ity farany izay naneho fa voafaritry ny lalàmpanorenana tokoa ny fanaraha-mason’ny antenimierampirenana ny mpanatanteraka kanefa fanakotontanana iny niseho iny aminy. Manana ny fahefana feno ny Filoha hanala azy ivelan’izay endrika nentin’ny Antenimiera notondroiny ho fanakorontanana izay. “Mihantsy hoe: tsoahy raha sahinao na koa hoe: izay tianao na izaho no esorinao na ny antenimiera no ravainao” ireny, hoy Atoa Constant Raveloson, mpandinika politika. Tsy olonolom-poana fa mafy ny Praiminisitra matoa efa ho 5 taona tsy nihontsona teo, ary mitory hafatra betsaka ireny: fampiratiana ny fahaizana amam-pahalalany ireny.
HISY ZAVATRA METY …
Ny aty ivelany efa managasanga sy mihaohao ny kajy politika hitrongisana ny Fitondrana ankehitriny. Mandeha ny fivoriana politika samihafa, manangasanga any ny fanambarana hiampanga ny fitondrana, toy ny resaka tsy fanajana ny lalàmpanorenana sy ny fanjakana tan-dalàna, ary ny fiandrianam-pirenena. Tahaka izany koa ny lafiny toekarena sy sosialy,…. Somary hafahafa ny feo any anatin’ny tafika noho ny mizana tsindrian’ila, na miantehitra azy ireo fatratra aza ny Filoham-pirenena,… Mety hisy ny tranga tsy ho ampoizina mialohan’ny fifidianana. Ho henjakenjakana ny sary politika mety hiseho ato ho ato, ary efa naman’ny mihotakotaka ny fitondrana, raha dinihina amin’ny zava-misy. Manampy trotraka izany ny fanambaran’ny iraisam-pirenena toy ny Frantsay, izay nilaza omaly, fa tokony ho afaka maneho ny safidiny an-kahalalahana ny Malagasy ary tokony ho voahaja ny safidim-bahoaka, tokony efa hanana Filoham-pirenena voafidy amin’ny janoary 2024.
Toky R

Dans la même rubrique