airtel

Fifamoivoizana

26-avril-2023

Fifamoivoizana

Minisiteran’ny fitaterana Namory ireo injeniera anatin’ny GST

Sample post image

Nihaona tamin’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro ireo mpikambana ao amin’ny « Groupement des Ingénieurs du secteur transport »

26-avril-2023

na ny GST izay mpikambana anatin’ny “Fédération National des Organisations des Ingénieurs Malagasy”, araka ny fampahafantarana nataon’io Minisitera io omaly. Tanjona amin’izany ny fifanomezan-tànana sy ny handinihana paikady mahomby entina mampandroso sy manatsara ny sehatry ny fitaterana amin’ny lafiny rehetra. Amin’ny maha manam-pahaizana ireo mpikambana ao amin’ny GST izay ivondronan’ireo injeniera momban’ny fitaterana an-dàlamby, an-tanety, an-dranomasina sy an-dranomamy ary anabakabaka dia maro ny dinidinika nivoaka nandritra ny fihaonana, isan’izany ny paikady mahakasika ny aro lozan’ny fifamoivoizana izay imasoan’ny Minisitera ankehitriny. Nomarihina ihany koa moa fa mifototra amin’ny fampandrosoana ny asam-pitaterana mba ho matihanina ny GST, izany hoe mijery akaiky ny fanomezana fahafam-po ho an’ireo mpanjifa, ny anjara birikiny entin’ny fitaterana amin’ny toe-karena, ny fandraisana anjara amin’ny famolavolana ny lalàna, ny torolàlana amin’ny sehatra tekinika sy ny tekinolojia,... Rehefa zohiana, manetsika ireo manam-pahaizana sy mpisehatra vonto traikefa amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny manodidina azy ity Minisitera ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito

Card image cap
17-avril-2025

Potika tanteraka ny lalana etsy Ankadilalana Ampitatafika raha avy any Vinany,

Card image cap