airtel

Fifamoivoizana

10-nov-2022

Fifamoivoizana

Mitaraina ny koperativa Feno taxi moto eny amin’ny fiantsonan’ny taxibe

Sample post image

Ankoatra ny fiara karetsaka dia lasa olana ho an’ny taxibe ihany koa amin’izao ny taxi moto.

10-nov-2022

Tsy misy toerana izay tsy ahitana azy ireny miantsona intsony mantsy eny amin’ireo tobim-piantsonan’ny taxibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy iray tsy roa ihany koa fa mahatratra hatrany amin’ny 15 isa mihitsy izy ireny raha kely no sady mahavatra mitsena sy manontany olona etsy sy eroa. Mahatsiaro ho sahirana vokatr’izany ireo taxibe. Eo an-danin’izay tsy mbola misy mari-pamantarana ireo taxi moto mihitsy eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mbola tsy manao fanamiana mitovy izy ireo. Mbola tsy manana badge hiavahany amin’ny hafa ihany koa. Efa tena mahazo laka tanteraka anefa ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Mbola misy hatrany ireo olona mitaingina moto dia very fananana nefa handeha hiasa sy hianatra….Manao antso avo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra araka izany ireo koperativa miasa sy mitatitra olona eto an-drenivohitra sy ny manodidina mba hijery akaiky ny mikasika izany. Marihina moa fa manomboka amin’ny 5.000 Ar ny saran-dalan’ny taxi moto amin’izao. Io no farany ambany indrindra raha misy mahatratra hatrany amin’ny 15.000 Ar raha somary mivoaka ny renivohitra mandeha lavidavitra.
Pati
 

Dans la même rubrique

20-mars-2025

Naka olona indray ny rano tany Belo Sur Tsiribihiana.

Card image cap