airtel

Fifamoivoizana

18-nov-2025

Moto nifandona tamin’ny citerne

Maty tsy tsa-drano ilay

Sample post image

mpitondra kodiaran-droa

18-nov-2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany amin'ny distrikan'Antanifotsy ny 16 Novambra teo. Kamiao siterna iray mpitondra lasantsy no nifandona tamina kodiaran-droa iray. Avy any Antsirabe hiazo an'Ambatolampy ity farany raha avy aty Antananarivo hianatsimo kosa ilay kamiao siterna. Tokony ho tamin'ny 3 ora 30 minitra folakandro no nisehoan'ny loza teo amin'ny PK 97+150 Ampitatafika anaty tanàna sy lalana mahitsy. Nifandona mafy ny roa tonta rehefa nifanena ka maty tsy tsa-drano vokatr'izany ilay mpamily kodiaran-droa. Simba tanteraka ihany koa Ilay moto nentiny raha tsy nahitana fahasimbana firy ny fiarakodia.
Pati
Légende : Nandritra ilay fifandonana !
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

afaka mandray fiaramanidina 100 isan'andro

Card image cap