airtel

Fifamoivoizana

03-févr-2025

Moto tra-doza tetsy Antanimena

Vaky loha, maty tsy tra-drano ilay mpanamory

Sample post image

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina nahafatesana olona mpandeha kodiaran-droa indray teto

03-févr-2025

Antananarivo Renivohitra omaly takariva. Lehilahy iray nandeha moto avy amin’ny làlana avy any Ankorondrano no tra-doza teo Antanimena. Voalaza fa nidona mafy tamin’ny andrin-jiro ka naratra mafy, vaky ny lohany, ary maty teo noho eo teny. Moto marika Yamaha Cynus Phase I miloko mainty no nentiny no izao tra-doza izao, ka teo anatrehan’ny filazana sy tombatombana fa mamo izy, dia nisy ny nanao fandisoana tamin’ny tambajotran-tserasera nilaza ho nahafantatra azy fa tsy marina ny hoe mamo satria voalaza fa « commercial » an’ny orinasa Solarland avy nanao « intervention » izy no voalaza fa izao tra-doza sy namoy ny ainy izao. Nanao "gilet" misy ny anaran’io orinasa voatonona io rahateo mo aizy. Sesilany ny loza mahatsiravina mahazo ireo moto satria ny faran’ny herinandro teo sy ny fiandohan’ny herinandro tahaka izao no nisian’ireo tanora vao erotrerony miisa 3 namoy ny ainy, dia ilay tetsy Andraharo sy tetsy amin’ny Marais Masay, dia izao misy tranga mahatsiravina izao indray, ankoatra ny hafa mety tsy fantatra. Tena ilàna fiheverana sy fitandremana lalina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Na hianavaratra, na hianatsimo, na hiankandrefana na hiantsinanana,

Card image cap
12-juin-2025

Ho tapaka tanteraka mandritra ny adiny iray ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-2 (RNP 2),

Card image cap