airtel

Fifamoivoizana

04-nov-2025

MPANAO TAXI MOTO NITONDRA

MOTO AN'OLONA NITSOAKA

Sample post image

Tsy hita nanomboka tamin'ny volana Aogositra, tratra ihany

04-nov-2025

Lehilahy iray 26 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian'ny Boriborintany fahatelo etsy Antaninandro ny Alakamisy 30 Oktobra teo tokony tamin’ny 9 ora maraina rehefa nivadika tamin' ilay tompona moto nampiasainy nanaovana taxi-moto. Nifanaraka tsara izy ireo raha tsiahivina ka ny volana Aogositra no nanjavona niaraka tamin'ny moto ity lehilahy ity. Ela ny ela anefa fa nipoitra ihany izy tsy naharitra ny herin'ny fahamarinana ka noraisim-potsiny. Nentina teny amin'ny kaomisaria izy hanokafana fanadihadiana. Anatra ho antsika diso mahatoky olona loatra ity tranga ity.
Pati
Légende : Ity ilay ranamana sy ilay moto nangalariny !
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Mampijaly mpandeha, andrasana ny fanaraha-maso hentitra

Card image cap
05-déc-2025

Mitaky fanovana sy mangarahara, manome 72ora ! »

Card image cap
04-déc-2025

Efa miditra amin’ny dingana farany

Card image cap
04-déc-2025

Nampikaikaika ny mpampiasa lalana

Card image cap
04-déc-2025

Manamafy ny fanabeazana hisorohana ny lozam-pifamoivoizana

Card image cap