Lehilahy iray 26 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian'ny Boriborintany fahatelo etsy Antaninandro ny Alakamisy 30 Oktobra teo tokony tamin’ny 9 ora maraina rehefa nivadika tamin' ilay tompona moto nampiasainy nanaovana taxi-moto. Nifanaraka tsara izy ireo raha tsiahivina ka ny volana Aogositra no nanjavona niaraka tamin'ny moto ity lehilahy ity. Ela ny ela anefa fa nipoitra ihany izy tsy naharitra ny herin'ny fahamarinana ka noraisim-potsiny. Nentina teny amin'ny kaomisaria izy hanokafana fanadihadiana. Anatra ho antsika diso mahatoky olona loatra ity tranga ity.
Pati
Légende : Ity ilay ranamana sy ilay moto nangalariny !