airtel

Fifamoivoizana

16-nov-2022

Fifamoivoizana

Mpandraharaha nikojakoja làlana “Vita ny asa, avoahy ny volanay, aza vonoina izahay…”

Sample post image

Nanao hetsika teo anoloan'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy etsy Anosy indray ireo orinasa mpikojakoja làlana omaly 15 novambra, nitaky hatrany ny handoavana ny volany.

16-nov-2022

Efa roa taona nitakiana, ka amin’izao misy ny efa nahazo ary misy ny mbola tsy nahazo, saingy naneho izy ireo fa tsy mifanary satria mitovy ka tsy tokony hisy havakavahana. Inona no tsy hamoahana ny an’ny sasany? Milaza izy ireo fa maro no rava fanana, alain’ny banky ny fananany satria tsy voaloa ny vola nalaina nialoha nanaovana ny asa, maro no voahenjika amin’ny taratasim-bola tsy misy anto-bola, maro no henjehin’ny “fournisseurs” na mpamatsy fitaovana,… “Misy ny filazana hoe: ny latsaky ny 200 tapitrisa Ar aloha no aloa ny volany, fa ny mihoatra ny 200 tapitrisa Ar miandry. Ny mahagaga anefa misy latsaka ary misy mihoatra samy efa voaloa ny volany”, hoy Atoa Ralida. Miantso ny manampahefana miainga any amin’ny Filoha izy ireo, izay nisaotra tamin’ny fandoavana efa nandeha, ary miantso ny hampitoviana ny rehetra. Manodidina ny 230 moa ireo orinasa, saingy tsy nanome antontan’isa mazava izy izy ireo hoe: firy ny nahazo ary firy no mbola tsy nahazo ny volany? Nanara-dalàna izahay ary tsenambaro-panjakana ara-dalàna fa tsy "gré à gré", nialohan'ny nanombohan'ny asa nisy ny fijerena ifotony hoe: ireto avy ny asa ataonareo, ny asa vita, ny volanay tsy azo, koa miangavy ataovy indray mifaoka ny fandoavam-bola, ataovy TGV (Travailler à Grande Vitesse), hoy ireo mpandraharaha. Na ireo nahazo aza, tsy voahaja ny andiny faha-74 amin’ny lalàna mifehy ny tsenambaro-panjakana dia ny fandoavana “intérêt moratoire” noho ny fiandrasana roa taona satria raha ry zareo no tratry ny sazy hoe: tsy nahavita ny asany, dia malaky ny fanjakana manao “-” sy “+” ao amin’ny kaontiny. Mikaonty anefa io 75 andro aorian’ny fanolorana faktiora rehefa vita tsara sy natolotra ny asa, raha ny fanamarihan’Atoa Ralida. Tamin'ity Fanjakana ity ihany no tsy nisy fandoavam-bola ara-dalana fa taloha nilamina, raha ny fanamarihan’ireo mpandraharaha. Manahy izy ireo satria ny novambra 2021 no nisy fandoavam-bola voalohany, oktobra 2022 ny faharoa, ka sao ho oktobra 2023 indray kanefa efa fifidianana amin'izany? hoy Atoa Robel. Mifarana ny taona ka misy "clause budgétaire" ka tokony haloa ny volanay, ny Fanjakana milaza fa manam-bola, nilaza fa misy 546 miliara Ar ao amin'ny FR (Fonds Routier) ka inona no tsy handoavana ny volanay 50 miliara Ar raha be indrindra ? hoy hatrany ireo mpandraharaha, izay nampahatsiahy fa mba efa nampanantena ny Filoha ny 2 aogositra 2022, fa hovahana ao anatin’ny 3 andro ny olan’izy ireo. Na misy aza ny “appel d’offre” mety mivoaka dia aleo maka saina fa izay sahy midira, hoy ireto mandraharaha ireto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-mars-2024

Napetraka teo anivon’ny trano fiantohana MAMA ny faran’ny herinandro teo ny atao

Card image cap