airtel

Fifamoivoizana

20-avril-2023

Fifamoivoizana

Mpikojakoja làlana “Ny 600 miliara Ar nanjavona, ny orinasa Malagasy vonoina…”

Sample post image

Mbola eo amin’ny 100 amin’ny orinasa mpikojakoja làlana hatrany amin’ny 320 no nahazo ny volany hatramin’izao, ka manamafy ny fitakiany izy ireo.

20-avril-2023

Efa nifanao velirano fa na iray aza tsy mahazo dia tsy ho tapaka ny tolona. Manahy izy ireo hoe: hanao ahoana no ho aviny? Inona no dikan’ity fanovana ny FER (Fonds d’Entretien Routier) lasa FR (Fonds Routier) dia avy eo indray FR lasa niverina FER, nisy fanapahana ny fandoavam-bola nataon’ny Praminisitra rehefa niova FR,... Izao indray naverina tamin’ny taloha, fanintsiana,… ka aza rebirebena izahay fa tsory ny marina hoe aloanareo sa tsia? hoy ireo mpandraharaha. Betsaka no efa migadra, ao ny efa maty,… saingy nilaza tsy hionona izy ireo fa hitaky raha mbola misy ny tsy mahazo ny azy. “Niteny ny Praiminisitra fa 600 miliara Ar ny vola ao ka tena vola sa sora-bola? Ny Depiote Roland Ratsiraka anefa niteny fa tsy misy vola ao fa nalefa any amin’ny Jirama. Aiza ny Bianco, aiza ny fitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC), SAMIFIN,… Mba mety ve izany “transfert budgetaire” izany hoe: efa natokana ho an’ny vola mikasika ny làlana dia niova amin’ny làlan-kafa?” hoy Ralida iray amin’ireo mpandraharaha sady mpitarika azy ireo. Vola efa mipetraka ao matoa nalefa ny asa. “Raiamandreny ianao Andriamatoa Filoha, ary tadidinay ny teninao hoe: tsy fombako izany hamono ny orinasa Malagasy izany, ka fampanantenana poakaty ve?” hoy hatrany ireo mpandraharaha. Efa tany amin’ny 2 aogositra 2022 moa no nihaona sy nahazo fampananten’ny Filoha izy ireo, saingy hatramin’izao mbola tsy misy vokany. Miandry izahay, mafy ny mahazo anay, hoy hatrany izy ireo. Nanipika ihany koa fa potika tanteraka ny làlana noho ny tsy fisian’ny fikojakojana, ary tsy mbola nisy tahaka izao tao anatin’ny 60 taona, fa nandeha ho azy izany fikojakojana làlana izany, raha mbola misy manjifa solika, hoy ny fanamarihana. Raha tsy niova dia manodidina ny 288Ar isaky ny lasantsy no makany amin’ny tahiry hikojakojana ny làlana, 134Ar eo isaky ny litatra ho an’ny gazoala ka tsy tokony ho tapaka vola ao anatin’ny FER raha ny nambaran’ireto mpandraharaha ireto. Iza hoy izy ireo no naka ny 600 miliara Ar sa nivadika taratasy na nivadika vy? Manginy fotsiny, raha ny nambaran’izy ireo ny fomba fiasa ankehitriny toy ny antso tolo-bidy na “appel d’offre restreint” izay manome vahana ny kolikoly, ny namanamana izay aloa vola, kanefa ny azy ireo tsy noraharahiana.
OMENA VOLA NY VAHINY, VONOINA NY MALAGASY
Manahy mafy amin’ny ho aviny ireo orinasa Malagasy izay nametra-panontaniana hoe: nahoana ny volany no tsy homena kanefa ny asa efa nanaovana fandraisana teknika (reception technique) na fandraisana vonjimaika (reception provisoire) na fandraisana tanteraka (reception definitive), eny fa nisy hatramin’ny “audit” na tsy anatin’ny fifanarahana aza fa ny vahiny homena vola mialoha 300 miliara Ar? hoy izy ireo. Miantso ny hamoahana izany “audit” izany ho hitanay, aloavy izay nahavita, asaivo mamerim-bola izay tsy nahavita, hoy ireto mpandraharaha ireto naneho ny alahelony, ary nilaza mihitsy fa omena vola ny vahiny fa ny Malagasy vonoina. Miantso ireo solombavambahoaka izay hivory ara-potoana amin’ny volana may, mba hijery ny zava-manjo azy ireo ireto mpandraharaha Malagasy ireto.
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-mars-2024

Napetraka teo anivon’ny trano fiantohana MAMA ny faran’ny herinandro teo ny atao

Card image cap