airtel

Fifamoivoizana

10-juin-2025

MPITONDRA MOTO MAMO

Namono Ramatoa lehibe iray

Sample post image

Mpamily moto iray voalaza fa mamo no fantatra fa namono Ramatoa lehibe iray 73 taona

10-juin-2025

teny amin'ny PK 12+950, Fokontany Mandriambero, Kaominina Talatamaty, distrikan'Ambohidratrimo ny Alahady 08 Jona lasa teo tokony ho tamin'ny 07 ora hariva.Làlana mahitsy, anaty tanàna no fantatra fa nitrangan'ny loza.Vokatry ny tsy fitandreman'ilay mpamily moto sy ny fisotroana teo am-pamiliana moa no nahatonga ny loza. Voamarina mantsy fa ambony ny tahan'alikola nosotroiny ary mbola tao anatin'ny hamamoana ilay ranamana. Naratra mafy moa ity farany ka voatery notanana eny amin'ny hopitaly raha naratra maivana kosa ny vadiny izay niaraka taminy. Notanan'ny zandary moa ity farany hahafahana manao ny fanadihadiana sy ho fiarovana ny ainy. Nogiazana kosa ilay moto.
Pati
Légende : Ilay Ramatoa namoy ny ainy sy ilay mpitondra moto !

 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

Nandritra ny fidiran’ny herinandro vaovao

Card image cap
09-janv-2026

Misy mivoy fanakorontanana ato ! »

Card image cap