airtel

Fifamoivoizana

06-mai-2024

Mpitondra moto maty teo

Ambodifasika Itaosy Lalana misy lolo ka mila hampanenoana anjomara ?

Sample post image

Mahatratra dimy isan-kerinandro raha kely ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fitaingenana

06-mai-2024

kodiaran-droa eto Antananarivo sy ny manodidina ka ny ankamaroan’ireo dia saika hamoizana aina avokoa. Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo ohatra dia lehilahy iray nitaingina moto niazo iny Faritra Andohatanjona Itaosy, distrikan’Atsimondrano iny no fantatra fa namoy ny ainy. Raha ny loharanom-baovao azo dia misy toerana tokony hampanenoana anjomara eny amin’iny faritra iny amin’ny alina rehefa mandalo ny mpamily. Tsy nanao izany anefa ity tovolahy mpitondra moto ity raha ny filazan’ireo nanatri-maso fa nandeha jonjorombina fotsiny ihany hany ka tra-doza. Toy ny nivilivily tsy fantatra hoe : naninona ilay moto nentiny ka nianjera vokatr’izany izy. Vato salantsalany tamin’ny sisin-dalana no voalaza fa nitaty ny lohany, antony nahafaty azy. Tokony ho tamin’ny 08 ora alina tany ho any no nitrangan’izany hoy hatrany ny loharanom-baovao azo. Nomarihin’ireo mponina moa ho an’ireo efa tra-doza teny amin’iny faritra iny fa velona dia toa fa mizara telo io lalana io amin’ny alina rehefa tsy mampaneno kilakisaonina ilay mpamily.
Pati
Legende : Mamono olona tahaka izao hatrany ny kodiaran-droa amin’ny ankapobeny !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap