airtel

Fifamoivoizana

07-déc-2022

Fifamoivoizana

Nalevina ny Air Madagascar Hampilamina sa hampidi-kizo indray koa ny Embraer ?

Sample post image

Hatao amin’ny fomba ofisialy anio 07 desambra 2022 eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny fifanarahana eo amin’ny Avioneur Embraer sy ny Madagascar Airlines.

07-déc-2022

Eo ambany fitarihan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ambany fiahian’ny Minisitry fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Atoa Roland Ranjatoelina ny raharaha. Nalevina tanteraka ve izany ny Air Madagascar ka na ny Minisitra Roland Ranjatoelina izay nilaza ny hanafoana ilay Madagascar Airlines aza toa nilefitra? Izy izay nanakiana mafy an-dRtoa Rinah Rakotomanga sy ny ekipany ho nampidi-kizo sy nandetika ny Air Madagascar ary naha bokan-trosa azy ny politika nentin’ireo sy ny nametrahana ny Kaompaniam-pirenena ho teo ambany fitantanan’ny fitsarana. Nilaza fa tsy hahatoky antsika ny mpiara-miombon’antoka fa mila hefaina ny trosa ary miverina ny Air Madagascar. Naneho mihitsy tany amin’ny volana jona fotoana nanafoanany ny fanendrena an-dRtoa Rinah Rakotomanga sy Atoa Mamy Rakotondraibe tsy ho solontenan’ny Minisiteran’ny fitaterana ao anatin’ny Air Madagascar, fa vonona hiady amin’ny tontakely, ary tsy mampaninona azy na hanalana azy ao amin’ny governemanta aza. Sady tsy ho voaahaisotra ny olona nesoriny no toa nilefitra ny tenany. Nialohan’izay, ny volana novambra 2021, nampanantena ny Minisitry ny fitaterana teo aloha fa Tinoka Roberto fa hamboarina ireo fiaramanidina Airbus ireo satria namoaka 5 tapitrisa dolara ny Fanjakana ary hiasa afaka 4 volana saingy herintaona aty aoriana tsy hita izay vokany. Nitohy ihany anefa ny olana satria ny 22 septambra 2022, nandefa taratasy amin’ny Mpitantana ny Kaompania Tsaradia izay efa napetraka eo ambany fiahian’ny Madagascar Airlines ny Air Austral mikasika ny fanofana fiaramanidina ATR72-212A miisa roa mitondra ny laharana MSN 650 sy MSN 813 ny 23 septambra 2022 lasa teo. Nitaky hatrany amin’ny 862 264,98 Euros na 3,5 miliara Ar eo ny Air Austral satria tsy voafeha araka ny fifanarana ny volany, ary tao anatin’ny 5 andro monja no nitakiany an’io. Tsy nisy tohiny, tsy nisy fanazavana.
FIFANARAHANA TSY MILAMINA
Hiditra fanintelony amin’ny fifanarahana ofisialy mombana fampiasana na fividianana fiaramanidina vahiny ny Fanjakana Rajoelina, izay matetika toa hidiran’andro. Ohatra iray mivaingana ny fividianana ireo Airbus A340 miisa roa tamin’ny tetezamita, izay ny fatiny aza toa tsy hita intsony mandrak’ity ny androany. Isika no notorian’ny Frantsay sy nitakiany onitra an-jatony tapitrisa euros. Efa miresaka fiaramanidina ihany, dia nisy ihany koa ilay fividianana fiaramanidina marika CASA CN-235 izay tonga teto sy naseho tetsy Mahamasina ny 26 jona 2019, nampiasaina kely in-droa na in-telo nitondrana entana ho an’ny traboina, dia tsy hita popoka. Voalaza fa 7,3 tapitrisa euros no vidiny saingy ny 4 tapitrisa euros no voaloa. Rehefa nilaza ny vaovao Frantsay fa nalain’ny tompony, ary any Afrika Atsimo dia nandà izany ny Minisitry ny fiarovana Atoa Richard Rakotonirina tetsy Mahamasina ny 17 septambra 2021, ary nilaza fa antsika ny fiaramanidina, fa nasiam-panamboarana fotsiny. Ankehitriny, voalaza fa efa miasa atsy Mozambika ity CASA ity ka ahoana ary izany? Hiditra amin’ny Embraer indray isika ka sao sanatrian’ny vava ho lasa resaka petatoko tahaka ireo roa voalohany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap