airtel

Fifamoivoizana

10-sept-2026

Niakatra 4 ny

matin’ilay loza teny Ambohidahy

Sample post image

Nilaza fa niala bisikileta sy nahita aloka ilay mpamily…

10-sept-2026

Niampy vehivavy roa 70 sy 65 taona ireo mianadahy mianaka namoy ny ainy tamin’ilay lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo amin’ny tionelina Ambohidahy afak’omaly talata 09 septambra 2026. Tafakatra 4 izany ireo namoy ny ainy, izay tsiahivina fa taksibe marika sprinter avy amin’ny zotra 186 no tra-doza nanivatsivatsiva tany amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ka nanitsaka sy nifaoka, ary nanery ireo olona miisa 9 lasibatra. Ny androtr’io no namoy ny ainy ireo olona roa voalohany dia ilay mpamonjy voina iray sy ny vehivavy iray vao 27 taona. Mbola mandeha ny fanadihadiana lalina mikasika ity raharaha ity, fa raha ny voalaza fa tatitra vonjimaika, dia tsy nisy olana ny fiara, tsy manana olana manokana ny mpamily,… Nisy ny filazana niparitaka fa niala bisikileta nanavatsava ny mpamily, saingy nifatratra tamin’ireo olona teny amin’ny sisiny. Nanamafy an’io ilay mpamily antsoina hoe Charles, araka ny fitantaran’ny vadiny, hita tamin’ny fampahalalam-baovao omaly ka ny nambarany dia ny hoe : « niala bisikileta izy ary nisy aloka nanaloka ». Verivery saina sy tsy tena tompon’ny tenany i Charles ka ny naverimberiny dia ny hoe : «Tsy fahadisoako iny fa tena namono olona aho », hoy ny fitantaran’ny vadiny. Milaza ity andefomandriny ity fa efa nisy karazana famantarana nialohan’izao satria nanofy ratsy matetika. Taloha kelin’io, eo am-panasana lamba misy olona ohatran’ny manalokaloka azy,… Manomana ny fanamasinana ny fanambadiany izay kasaina hatao amin’ny volana novambra izy mivady, saingy tojo an’izao. Manan-janaka 3 lahy, 14, 9 ary 3 taona, i Charles.
MILA FEPETRA HENTITRA
Ny tsy azo lavina aloha ankoatra ny lafiny teknika, dia misy goragora ny lalàna sy fitsipika momba ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Ny taxi-bisikileta ohatra, efa tonga eny Andohan’Analakely, kanefa tsy misy alalana sy lalàna mazava, tsy mahafehy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana,… Tsy resaka fanilihana na fanilihana ny tsiny any amin’izy ireny, fa tandindon-doza sy mitera-doza ho an’ny hafa. Marina fa hoe famoron’asa sy mamelona olona maro toy ny taxi-moto izay nampiady hevitra, fa kosa mila dinihina sy jerena fa raha samy hanao tahaka izay saim-patany ny rehetra mety ho ambony ambany ny Firenena. Firifiry ireo fitsipika sy lalàna mikasika ny fifamoivozana eto fa moa tena voahaja ve ? Sanatria hiandry zava-doza mahatsiravina foana vao ho taitra sy handray fepetra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

Hisokatra ho an’ny besinimaro

Card image cap
09-sept-2026

voafaoka sy voahitsaka maty

Card image cap