airtel

Fifamoivoizana

22-mai-2025

Nofahon’ny fiara tetsy

Ambohitrimanjaka

Sample post image

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

22-mai-2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mhatsiravina indray omaly alina teny Ambohitrimanjaka. Fiara marika Golf 5 GTI nentina tovolahy iray mbola mpianatra (23 taona) no nahafaoka ilay mpandeha an-tongotra, raha ny vaovao niparitaka omaly alina. Niparitaka mihitsy moa ilay lasibatra, ka nifampitadiavana ny vatany sy ny lohany satria latsaka tany anaty rano. Hita ihany rehefa natao ny ezaka rehetra. Ilay fiara nandona kosa latsaka tao anaty rano, ary naratra ny mpandeha iray tao anatiny. Ankoatra io, nisehoana loza goavana ihany koa teny amin’ny lalam-baovao Rocade hiazo ny làlana Akoor Digue omaly tolakandro hatrany, ka fiara raitra miisa 2 raha kely no potika tanteraka ny lohany, ankoatra ny an’ny nandona. Tsy fantatra mazava kosa ny mety ho fahavoazan’ireo olombelona mety lasibatra tamin’ity loza iray hafa ity. Sesilany ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tato ho ato, ka hanentanana hatrany ny rehetra hitandrina. Isan’ny fositra ny fandehanana mafy, ny fiara mijanona amin’ny toerana mampidi-doza, ny fandraisana alikaola,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juin-2025

Notanterahina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny tokotanin’ny CCI Ivato omaly talata 24 jona 2025

Card image cap
24-juin-2025

Tsiahivina fa ny Alatsinainy 16 Jona teo no niainga avy tao Mahajanga ny

Card image cap
24-juin-2025

Zava-doza no nitranga teny amin’ny toerana antsoina hoe "Coca",

Card image cap