airtel

Fifamoivoizana

01-févr-2022

Fifamoivoizana

Olam-piainanana Loharano mitarika loza ho ana mpamily maro

Sample post image

Tena miteraka olana goavana amin’ny fiainana andavanandro ny olana ara-piainana sy ny rarin-tsaina. Ho an’ireo mpamily manokana dia fantatra fa misy amin’izy ireny mihitsy no lasa

01-févr-2022

 manao lozam-pifamoivoizana eny am-pamiliana vokatr’izay adin-tsaina…. izay. Amin’ny ankapobeny anefa dia tokony hamily am-pifaliana sy hahay handefitra ny rehetra mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ho fiarovana ny aina. Anisan’ny tanjoky ny Auto ecole Jacky izany amin’izao fankalazana ny faha-25 taona niorenany izao. Mamily am-pifaliana no teny filamatra hitondrany izany no sady efa nahafantaran’ny olona azy ihany koa ka mbola hiantsoany ireo namana mpampaianatra mpamily fiarakodia hafa mba hanaraka ny diany. Noatsiahivin’Atoa Jacky manokana moa fa betsaka ny zavatra mety hanahirana eny am-pamiliana fiara eny saingy tsy misy tsara ohatra ny mahay mifandefitra sy mifanampy hatrany. Tsy maty antoka ianao hoy izy raha lany 10 segaondra isaky ny fiara iray mangataka lalana aminao raha izay no hahatsara zavatra. Tolotra ho an’izao fankalazana ny faha-25 taona niorenan’izy ireo izao moa ny fisian’ny fiara vaovao sy moto vaovao ho an’ny mpianatra ankoatra ny fanohizana ilay olona iray isaky ny adin’ny iray hianatra hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19.

 

Pati
Legende Fiara vaovao hampiasain’ny trano fianarana familiana Jacky amin’izao fankalazana ny faha-25taonany izao !
Olam-piainanana Loharano mitarika loza ho ana mpamily maro

 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Tsy nijery fotsiny fa nanao ny adidy tandrify azy manoloana ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambatofolaka,

Card image cap
29-avril-2024

Inona mihitsy no tsy milamina ao Ambatofolaka, Soamahamanina ao, hoy ny mponina any an-toerana

Card image cap