Fokontany Antsahalava, kaominina Soamahamanina, distrikan’i Miarinarivo tamin’ny Zoma 26 Aprily lasa teo ny kaominina Ampitatafika Atsimondrano, tarihin’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mpianatry ny EPP Ankaditany Ampitatafika avy nitsangatsangana tany Ampefy ireo niharam-boina ireo. Miisa telo ireo namoy ny ainy tamin’izany nahitana mpianatra iray sy mpanabe ary Ray aman-dRenin’ny mpianatra iray. Vehivavy 55 sy 50 taona iretsy voalohany raha zazavavy kely vao 12 taona ity farany. Tonga nitondra ny teny fampaherezana ary nandray anjara tamin’ny fikarakarana rehetra na ara-taratasy na ara-pitsaboana noho izany ny kaominina Ampitatafika ka nanolotra solom-panafody 1. 000 000Ar sy niantoka ny fitaterana ireo razana niazo ny fasan-drazany izay nalevina omaly Alatsinainy. Miisa 20 ireo naratra raha tsiaivina ka ny 6 tsy maintsy nentina notsaboina etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha nahitana olon-dehibe 45 sy 31 taona raha 14, 12, 8 ary 5 taona kosa ireo ankizy efatra ambiny. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Miarinarivo kosa ny sasany. Nivarina tany anaty tevana mirefy 20 metatra moa ilay fiara Sprinter nitondra azy ireo rehefa nisongonana fiara Starex iray ka voadona ny lohany.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny kaominina Ampitatafika Ilay fiara nitondra ny razana !
Saika miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra avokoa amin’izao ireo mpamily
Filaharana lava be, ankisisika, fifanosehana. Izay foana isan’andro no iainan’iroe olona