airtel

Fifamoivoizana

16-mai-2025

Kiady, mpilalao sarimihetsika

Nidoboka am-ponja vonjimaika

Sample post image

Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,

16-mai-2025

noho ilay lozam-pifamoivoizana nahafatesan'olona nitranga ny sabotsy alina lasa teo, tao amin'ny fokontany Bemasoandro Itaosy. Notanana natao andrimaso teny anivon'ny zandarimaria Itaosy izy taorian'ny zava-nitranga. Araka ny tatitra, fiara nentin'i Kiady no nifandona tamin'ny moto nitaingenan'olona roa. Naratra mafy izy ireo ary nentina haingana teny amin'ny hopitaly. Nodimandry ny alahady maraina ilay vehivavy 29 taona, raha mbola manaraka fitsaboana kosa ilay lehilahy niaraka taminy. Potika tanteraka ilay moto, ary nahitana fahasimbana goavana ihany koa ilay fiara nentin'i Kiady. Eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana momba ny raharaha izy amin'izao fotoana izao. Efa nisy ihany ny fiarovana sy fanazavana nentin’ny mpisolovava izay nilaza fa nisy ny fahadisoana nataon’ilay moto, nivily tamin’ny toerana tsy tokony hiviliana ka niteraka ny loza,… saingy tsy naharo an’ity mpilalao sarimihetsika ity. Nisy aina nafoy rahateo, izay mampananosarotra ny raharaha satria nanana ny nambarany ihany koa ny fianankavian’ny maty, izay tsy nanaiky mora foana ny ain’ny havany latsaka.
Toky R

 

Dans la même rubrique

02-juil-2025

an’Antananarivo no vahaolan’ny fitohanana»

Card image cap
02-juil-2025

Nisy fidinany 200 Ar isaky ny litatra ny vidi-tsolika nanomboka omaly 1 jolay 2025.

Card image cap
02-juil-2025

Tsy hamaha ny olana eto Antananarivo, raha fifamoivoizana no resahina,

Card image cap
02-juil-2025

Nodimandry omaly i na Sambehafa Tahiry na i Samba Mikaroka

Card image cap