Nampahatsiahy, fa araka ny «Arrêté interministériel n°1350/2015 » dia toy izao manaraka izao ny ora mifehy ny fivezivezen'ny fiara vaventy eto amin'ny faritry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra: Ho an'ireo fiara vaventy mihoatra ny 16 T (PTAC) dia voafetra amin'ny 9 ora alina ka hatramin'ny 5 ora maraina. Ho an'ireo fiara vaventy latsaky ny 16 T (PTAC) dia voafetra amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 11 ora atoandro sy amin'ny 1ora hatramin'ny 3 ora atoandro ary amin'ny 9 ora alina hatramin' ny 5 ora maraina. Tsy voakasik'izany kosa ny fiara mpitondra solika sy ny fiaran'ny JIRAMA. Ny Fiadidiana ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra dia mankasitraka feno antsika rehetra amin'ny fanajàna ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao. Isan’ny mampikorontana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra ny tsy fanajana izany, ka anisany ny fitohanana lavareny, izay miantraika amin’ny rehetra ny fatiantoka.
ENCADRE
Raha ny kajy tsotsotra fotsiny, dia 8ora isan’andro no tokony hiasan’ny olona raha ny ara-dalàna, 160ora/isam-bolana, izany hoe: 1562.5Ar ny sandan’ny ora iray raha miainga amin’ny karama farany ambany 250 000Ar, ka raha lany adin’ny telo amin’ny fitohanana raha kely indrindra dia efa 4687.5Ar, ary manodidina ny 120 000Ar iray volana.
Toky R
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray omaly Alahady tany amin’ny lalam-pirenena faharoa,
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny omaly 27 septambra ny hirosoana amin'ny fanaovan-tsonia ny