Raha araka ny fantatra dia fiara avy namonjy mariazy teny Imerikiasina ireo lasibatra ireo. Olona iray vokatr’izany no fantatra fa naratra raha nahitana fahasimbana avokoa ireo fiara miisa telo lasibatra ireo sy ilay fiara Peugeot. Tsy nisy ny aina nafoy na izany aza. Nambaran’ireo nanatri-maso hatrany moa fa karazan’olona nanana olana ny mpamilin’ity fiara Peugeot 405 ity. Mila mitandrina hatrany araka izany manoloana ny tranga tahaka itony. Na mitandrina aza mantsy ny tena ka tsy mitandrina ny hafa dia zava-poana ihany izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ireo fiara lasibatra
Lany tsy nisy nitsipaka teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Volavolan-dalàna mifehy ny Orinasa kaoperativa.
Nitrangana lozam-pifamoivozana nahatsiravina omaly teny Avaradoha. Tokony ho tamin'ny 09 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany.